Zoma 13 Septambra 2024

Asan’ny Apostoly 14. 19-28

Hoan’ny rehetra ny fampianaram-pinoana

1- Ho an’izay efa miorina tsara:

« Nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana… » (and 22a): misy ireo mpino izay niorina tsara tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia noho ny Filazantsara izay notoriana tamin’izy ireo. Nampahery ireo efa nanolo-tena hoan’ny Tompo ireo i Paoly sy Barnabasy. Nananatra azy ireo, nanafatra ihany koa mba haharitra hatrany amin’ny finoana izy ireo. Ho antsika mpanao Tafika Masina àry, tsarovy fa mba mila fampaherezana ihany koa ireo izay heverina fa miorina tsara. Ambarao aminy hoe: « Miorena tsara, aza miova » (1Kor 15, 58). Ho anao izay efa heverina fa miaina amin’ny Asa Fitoriana: atombohy eo aminao aloha ny fampiharana izay Soratra Masina torinao. Aoka tsy ho toy ny mpanera isika ka variana mitaona olona handeha fa izy tafajanona hatrany. Mirosoa hatrany !

2- Hoan’izay mbola any ivelan’ny valan’ondry.

« Nilaza izay rehetra nataon’ny Tompo tamin’ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an’ny Jentilisa » (and 27): Hita taratra amin’izany fa ilaina tokoa ny mamoha ny varavaram- pinoana eo amin’ireo izay mbola tsy nandray ny Filazantsara. Jesoa dia mitsangana eo am-baravarana ka mandondona. Faly Jesoa rehefa mandre ny feony isika ary mampiantrano Azy. Ireo izay manao azy fa miorina tsara dia mula mitandrina sao lasa fahazarana sisa ny fanompoana izay tanterahina. Tsy maintsy kolokoloina ny finoana, velombelomina hatrany. Ny fijoroana vavolombelona dia fitaovana mahomby ahafahana mizara ny fahatsaran’ny Tompo. Aoka tsy ho variana ao am-piangonana ihany isika.

Fanontaniana

Iza avy ireo tokony tolorana fampianaram-pinoana ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024