Alakamisy 12 Septambra 2024

Romana 8, 31-38

Ilay Andriamanitra inoantsika

1- Nanolotra ny Zanany lahy tokana:

« …Izay tsy niaro ny Zanany lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy… »(and 32). Mancho ny fitiavany antsika ny Tompo. Ambaran’i Paoly fa rehefa momba ny’ mpanompony Izy dia tsy misy hahatohitra antsika na iza na iza, na inona na inona. Miorina tanteraka amin’ny finoana ny mpino, ka ho reraka co fotsiny izay mitady irika hanoherana ny olom-boafidiny. Tena fandresena miezinezina ho antsika ny nanomezan’ Andrimanitra ny Zanany.

2- Mpanamarina antsika

« Iza hiampanga ny no olom-boafidin Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy » (and 33). Isan’ny toetra mampiavaka ny devoly ny fiampangana. Izay manaiky ataony fitaovana amin’izany dia tsy mitsahatra mitady irika hanalana baraka ny olom-boafidin’ny Tompo. Na eo aza izany, ny mpino miaraka mandeha amin’ny Tompo, manana fanetren-tena, manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia tsy miady irery fa manana Mpanolotsaina. Manoloana irco fiampangana samihafa dia manana Mpiaro sy Mpanamarina isika: « Manana Solovava ao amin’ny Ray isika dia Jesoa Kristy » (1Jao 2, 1). Tandremo àry ny manameloka lava ny tenanao amin’ireo ota efa nibebahanao taminy, ary amin’izao sisa izao, aza manota intsony.

3- Mihazona antsika tsy ho tafasaraka Aminy:

« Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy » (and 35). Na fahoriana, na fahantrana, na fanenjehana, na mosary, na loza, na sabatra, na inona na inona hoy Paoly dia tsy misy ahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ i Kristy.

Fanontaniana:

Inona avy ireo porofo anehoan’ny Tompo ny fitiavany ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024