Alarobia 11 Septambra 2024

Salamo 116. 1-11

Andriamanitra Mpanavotra…

1- Mpihaino vavaka

<< Izaho tia an’i Jehovah, satria efa nandre ny feon’ny fifonako Izy >>(and 1). Fijoroana vavolombelona no hita eto. Ambara fa ny Tompo dia manan-tsofina afaka mihaino ka mandre ny fifonanana sy ny fitarainana. Sambatra isika manana an’i Jesoa izay mipetraka eo ankavanan’ny Ray, mifona sy mivavaka ho antsika (Rom 8, 34). Mazotoa àry miresaka amin’ny Tompontsika. Aza misalasala, mijoroa ho vavolombelona amin’ny valim-bavaka maro izay omeny. Ambarao amin’ny Tompo ny fitiavanao.

2- Mpamindra fo sy Mpiantra.

« Mamindra fo sy miantra Jehovah »; Eny, miantra ny Andriamanintsika »(and 5). Be fitiavana ny Tompontsika. Rehefa manetry tena eo anatrehany isika ka miaiky heloka, mangataka famelana Aminy dia mamindra fo sy miantra Izy. Noho i Jesoa Kristy, Ilay avotra noho ny fahotantsika, dia mihaino sy mamindra fo ny Tompo. Aoka tsy hararaotina atao fahazarana io famelan- keloka atolony io. Mitondra fahafahana sy fahasitranana ny famindrampony.

3- Mpiaro sy Mpamonjy ary Mpampahery

« Reraka aho, dia namonjy ahy Izy » (and 6b): Tafalatsaka tao anatin’ny harerahana tanteraka ny mpanoratra eto. Efa nanakaiky ny fahafatesana. Tsy ampy niatrehana ny zava-misy intsony ny heriny samirery manoloana ny adin-tsaina sy adim-panahy nahazo azy. Soa ihany fa misy Tompo azo itarainana, Izay mahita sy mahalala ný zava-misy marina. Hoy ny Tompo hoe: « Antsoy Aho dia hovaliako lanao » (Jer33,3). Apetraho Aminy àry ny fanahiantsika rehetra.

Fanontaniana:

Inona avy ireo toetra mampiavaka ny Tompontsika?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024