Talata 10 Septambra 2024

1Jaona 5.4-5

1- Meteza haterak’Andriamanitra indray

Ampiasaina hatrany ny hoe zanak’Andriamanitra kanefa tokony havahana tsara ny hoe zanak’ Andriamanitra anarana fotsiny sy ny hoe zanaka naterak’Andriamanitra mihitsy. Ny hoe zanak’Andriamanitra mantsy dia mampifangaro ireo tena zanaka naterany, na mety hanondroana fotsiny koa izay rehetra te hitondra izany anarana izany nefa tsy mendrika ho zanany akory. Mariho tsara izao fa i Jesoa dia tsy mampiasa mihitsy ny teny hoe zanak’ Andriamanitra raha manondro ny Tenany amin’ny maha Zanak’ Andriamanitra Azy, fa Zanak Olona kosa no nampiasainy satria ny devoly indrindra, tamin’ny naka fanahy Azy no nampiasa izany teny izany, ary olona hafa koa no nilaza sy nanondro Azy ho amin’izany. Noho izany dia tsy ny hilazana ny tena ho isan’ny zanak’Andriamanitra no mahamaika fa ny hahatongavana ho isan’izay naterak’ Andriamanitra mihitsy, ary ireo dia tsy maintsy ho zanany avy hatrany (cf Jao 1. 3; 1Jao 3.9)

2- Manana finoana ny zanak’Andriamanitra

Takiana ho amin’izay maniry sy manaiky ho tonga zanany ny finoana Azy. Zava-dehibe ny finoana eo amin’ny sehatry ny fivavahana amin’Andriamanitra; satria hoy ny Soratra Masina hoe raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy. Koa na iza na iza manatona Azy, araka izany dia tsy maintsy mino fa misy Izy. Ny zanaka naterak’ Andriamanitra dia izay mino Azy ao amin’i Jesoa Kristy sy ny asa fanoloran-tenany araka ny drafi-pamonjeny (Jao 3.16)

3- Maharesy izao tontolo izao izay manam-pinoana

Ratsy ny fanaon’izao tontolo izao ary asain’ny Tompo misaraka amin’ny Zanany izao tontolo izao (1 Jao 1. 15-17). Izany no mahatonga Azy hiteny hoe: miadia amin’izao tontolo izao.

Fanontaniana:

Ahoana izany olona manana finoana izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024