Alarobia 04 Septambra 2024

Matio 8.5-13

1- Meteza hihevitra ny hafa

Indro Kapiteny iray no anton-dresaka eto ary tsy miaramila tsotra akory raha araka ny voatantara, fa isan’ny manam-boninahitra. Manana ny maha izy azy izany satria manana izay andian’olona eo ambany fahefana ka azony baikoina, azo ampanaovina izay tiany hatao. Raha ny marina dia mety manana fizahozahoana sy fiheveran- tena ho zavatra ny olona tahaka izany satria manam-pahefana ka afaka ny tsy hiraharaha ny hafa mihitsy. Tsy izany anefa no nisy teto satria raha narary ny mpanompony dia tsy niteny izy hoe avelao ho faty any io, fa onena azy izy ka nitady izay hahasitrana azy kosa. Araka izany na dia olona ambony aza izy dia tena nihevitra ny hafa indrindra koa.

2- Minoa ary manatona an’i Jesoa Kristy

Rehefa narary ny mpanompony dia nitady vahaonana ho an’ilay marary izy. Tamin’izay fotoana izay no nandrenesany ny amin’i Jesoa Kristy, Ilay afaka nanasitrana ny karazan’aretina samihafa. Nino Azy tanteraka izy ka avy nanatona Azy tsy am-pisalasalana. Indro ilay miaramila, tonga nitaraina tamin’i Jesoa Kristy, mba hanasitranany ilay mpanompony.

3- Manana fanetren-tena

Nony ren’i Jesoa Kristy ny fitarainany mba hanasitranan’i Jesoa ilay marary, dia tsy nisalasala Izy niteny hoe: « ho avy any an-tranonao Aho » hanasitrana azy. Tsy nety tamin’ilay miaramila anefa ny hidiran’i Jesoa Kristy ao antranony, satria tsy mendrika ny hampandroso Azy ao an-trano izy. Resy lahatra izy ary tena nino fa olona manam-pahefana lehibe lavitra noho izy ity Jesoa ity ka afaka manao mihoatra noho izay ataony.

Fanontaniana:

Ilaina ve ny manana finoana tahaka ity Kapiteny ity ka manaiky sy mino tanteraka an’i Jesoa Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024