Talata 03 Septambra 2024

Jakoba 5. 13-15

Ny vavaka

Ny fangirifiriana sy ny fanaintainana ara-tsaina sy ara-batana dia tena manjo ny olombelona rehetra, eny, hatramin’ny Kristiana mihitsy aza. Raha ny marina dia zavatra tsy azo ihodivirana eo amin’ny fiainana izany. Koa ahoana no hiatrehana azy? Eo anatrehan’izany dia zava-dehibe ny ahalalana fa ahafahan’ny olona miatrika sy mandresy ny olana ny vavaka, hoy i Jakoba. Mariho fa averimberin’i Jakoba amin’ny endrika samihafa eto ny hoe vavaka. Mizara roa ny vavaka araka ny ambarany:

1- Ny vavaka ataon’olon-tokana

Amin’ny ankapobeny dia « rehefa misy maty » no andraisan’ny maro izay tian’i Jakoba lazaina amin’ny hoe « misy azom-pahoriana va eo aminareo ». Marina amin’ny ampahany ihany anefa izany satria tsy ny filazana hoe misy maty ihany akory no tian’i Jakoba lazaina amin’izany fa ilazany ny zava-manahirana rehetra manjo ny olona mihitsy izany. Ny olana maro samihafa izay mampitaraina sy mety mampamoifo ny olona mihitsy dia ambarany amin’ny alalan’izany avokoa fa tsy fahafatesana ihany akory. Raha misy olona iharan’izany àry hoy i Jakoba dia asandrato mafy mihitsy ny vavaka (Cf Jao 14. 13 – 14; 15. 7)

2- Vavaka ataon’ny Fiangonana, vavaka itambaram-be

Ny atao amin’izany àry dia ny mifampivavaka, mifamboraka izay mafy sy sarotra manjo ny tena mba tsy ho ny tena irery no mivesatra izany. Araka izany, tsy mety raha vao mainka manavesatra izay efa entin’ny tena ny hafa fa ny hanamaivana izany no hifanampian’izy ireo. Ny hanasoa ny olona no tena ilàna ny Fiangonana, hoy i Jakoba, araka ny ambara eto hoe aoka hilaza amin’ny Fiangonana ilay manana zava- mavesatra dia hivavaka ho azy ny Fiangonana.

Fanontaniana:

Araka ny hevitrao, marina ve fa vahaolana amin’ny zava-manjo ny olona ny vavaka?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024