Alahady 01 Septambra 2024

Asan’ny Apostoly 13. 38-43

Ny fanamarinana ny olona

Efa niteny ny Soratra Masina hoe « tsy misy olona marina na dia iray akory aza » (Rom 3. 10) koa tsy maintsy ho very mandrakizay ny olona raha izany satria tsy misy azony atao mihitsy mba hanavotany ny tenany manoloana izany faharatsiany izany. Mba tsy hahavery tanteraka ny olona anefa dia indro niditra an-tsehatra Andriamanitra mba hanamarina ny olona. Tsy ny olona rehetra anefa, fa izay mino an’i Jesoa Kristy kosa. Ny fanamarinana ny olona dia tena asa madiodion’Andriamanitra, dia ny nanadiovany ny faharatsin’ny olona sy ny namelany ny fahotany rehetra mba hahafahan’ny olona miantso sy manantena ny fahasoavany indray.

Avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny famelan-keloka:

Ny fampianaram-pinoana tamin’izany fotoana izany dia nanome lanja tokoa ny lalàn’i Mosesy izay afaka mamaha ny olam-mpiainana rehetra manjo ny olona. Nampitaina sy nampianarina àry fa hoe rehefa mankatoa ny lalan’i Mosesy dia afaka amin’ny fahotana rehetra (ampitahao Mar 7. 3). Ny zavatra misy anefa dia izao: na dia narahana tokoa aza ny lalàn’i Mosesy dia tena mitoetra alavitra an’Andriamanitra ny olona satria ny ratsy dia atao ihany (ampitahao Mar 7. 6 8). Noho izany, tsy ny lalan’i Mosesy akory no nisy fahadisoana na lefy fa diso fandray ny hevitry ny Soratra Masina ny olona satria ambaran’ny foto-pampianarana kristiana fa i Jesoa Kristy no faran’ny lalana ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino Azy (Rom 10. 4). Izay rehetra mandray ny voalazan’ny lalàn’i Mosesy izany dia takiana hino an’ Jesoa Kristy, hanaiky sy hankatoa an’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Amin’ny alalan’iza no hany hahazoan’ny olona fahamarinana sy famonjena?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024