Alarobia 14 Aogositra 2024

Romana 6.1-14

Maty ny amin’ny ota, velona ao amin’ny Kristy

1- Maty ny amin’ny ota

Misy fifandraisany ny fahafatesan’ny Kristiana ny fahotana araka izay voalaza eo amin’ny andininy faha 2. Maty noho ny otantsika i Kristy, nofantsihina teo amin’ny hazo fijaliana. Mety ho alaim-panahy hanota anefa isika, ary mety manota; kanefa tsy manana fifandraisana amin’ny fahotana Izy. Mba hananatsika fahamasinana eo anatrehan’ny Tompo dia meteza hatao Batisa ao amin’i Kristy hanananao fiombonam-piainana Aminy. Ny firaisana Aminy, amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty no ahafahana mandray ny fitahiana sy ny fiainam-baovao. Tsarovy àry fa maty noho ny otantsika Kristy mba hananatsika fahamasinana sy fitahiana ary fiainam-baovao ao Aminy. Manamafy izany ny voalazan’ny and 3-7.

2- Velona ao amin’i Kristy

Amin’ny maha mpino antsika ry havana dia tokony hihevitra ny tenantsika ho olona efa maty, nefa velona indray ao amin’i Kristy isika, mba hahafahana miaina amin’ny maha olon’Andriamanitra. Tsarovy fa efa nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana niaraka tamin’i Kristy ilay « isika taloha », ary tokony haneho ny sata vaovao izay ananantsika ao amin’i Kristy noho ny fahavelomana izay omeny ny mino. Aoka àry tsy hanjaka ao amin’ny tenantsika intsony ny ota sy ny filàny, satria efa velona ao amin’i Jesoa Kristy ianao. Mba ho marina aminao ny teny hoe: « Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ». Aoka ho masina ianao satria masina Izy.

Fanontaniana:

Tsaroanao ve fa velona ao amin’i Kristy ianao ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024