Alatsinainy 05 Aogositra 2024
ITesaloniana 3, 11-13
Ny fikolokoloana ny fiombonana
1- Ny fampandrosoana ny fifankatiavana
« Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra » (and 12): Mitsodrano ireo mpino ao Tesalonia i Paoly mba hiroborobo hatrany ny fiombonana eo amin’izy ireo. Ambarany mazava ny lalan-kizorana amin’izany. Mirary izy mba hifankatia hatrany ny samy mpiray tam-po ao amin’ny Tompo, mba hitombo amin’ny fitiavana ny hafa ihany koa. Hoy i Jesoa hoe: « Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo raha mifankatia » (Jao 13, 34). Aoka handroso hatrany isika.
2- Ny fampiorenana ny fo tsy hanan-tsiny
« Mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny... » (and13): Maniry i Paoly mba hahery amin’ny lafiny rehetra ny mpino, mba tsy ho ketraka ny fony ka hirona amin’ny fankahalana na fitsitokotokoana sanatria. Mampalahelo tokoa ny mahita sy maheno indraindray ny fihatsarambelatsihy sy ny fifanaratsiana eo amin’ny samy mpianakavin’ny finoana. Ny fo tokoa no entina mitia na mankahala. Manoro antsika i Jesoa hoe: « Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao (Mat 19,19). Miorena tsara, aza miova.
3- Ny fandehanana amin’ny fahamasinana
« …Tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika… »: Mampiomana ny mpino i Paoly mba hibanjina ny fiavian’i Jesoa Tompo. Ilaina ny fiorenana hatrany ka hitandro hatrany ny fahamasinana, haharitra hatramin’ny farany. Araka izany dia mifamatotra ny fahadiovam-po sy ny fahamasinana.
Fanontaniana
Ahoana no hikolokoloana ny fiombonana tsy ho rava?
Sampana Sekoly Alahady Foibe