Talata 07 Mey 2024
Romana 8.9-13
Ny olona tapahin’ny Fanahy.
Ireto no mampiavaka ny olona tapahin’ny Fanahy:
1- Itoeran’ny Fanahin’Andriamanitra.
Ny teny hoe « mitoetra » dia milaza ny asa maharitra ataon’ny Fanahin’ Andriamanitra ao am-pon’ny olona izay « ao amin’ny Fanahy ». Amin’izany dia tsy hoe mivahiny, na mandalo sy miserana amin’ny fotoana manokana ao am-po Izy, fa toy ny tompon-trano monina sy mikarakara tsy an-kitsahatra. Ny fandraisana io Fanahin’Andriamanitra, na Fanahin’i Kristy io no mariky ny maha kristiana. Ambaran’i Paoly fa tsy hafa akory io Fanahy io, fa milaza an’i Kristy. « Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy » (and.9). Fananan’i Kristy isika; « an’i Kristy » isika satria itoeran’ny Fanahiny; « mpitrosa » Aminy isika (and.12) ka tsy maintsy mamono ny faharatsiana rehetra mba ho velona araka ny Fanahy, ary hanao izay sitrapony.
2- Atsangany amin’ny maty (and.10)
Avahan’i Paoly eto ny olona « araka ny nofo » sy ny olona « araka ny Fanahy ». Ny olona araka ny nofo dia mbola tapahin’ny ota, manaram-po amin’ny sitrapon’ny nofo; fitiavan-tena no mibaiko azy na amin’ny asa, na amin’ny lalao, na amin’ny fihinana, na amin’ny fisotro, na fitafiana, na fisehoana, na fitoerana samirery, na fiaraha-monina amin’ny hafa. Ny olona araka ny Fanahy kosa, izany hoe: « onenan’ny Fanahy », na dia tsy maintsy ho faty ihany ny tena, ilay olona taloha nanaram-po tamin’ny fahotana. Ary ny Fanahin’Andriamanitra izay nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty no mbola hanangana azy ka hamelona ny tenany mety maty Manazava kokoa izany izay voalazan’i Paoly hoe: « Afafy tena araka ny fomban’aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. » (1 Kor 15.44) Fanontaniana:
Inona no mba antenainao amin’ny fitsanganana amin’ny maty?
Sampana Sekoly Alahady Foibe