Alahady 14 Aprily 2024
Jaona 20. 11-18
- Mampahiratra ny masom-panahy
Nankany am-pasana vao maraina i Maria Magdalena; nitomany satria tsy nahita ny fatin’i Jesoa. Nisy naka ny Tompoko (and 13). Rehefa nitodika anefa izy nahita an’i Jesoa nitsangana niantso hoe: « Ry Maria! » (and 16); ny feon’i Jesoa dia nanala an’i Maria tao amin’ny fahajambana ara-panahy, ka nahalalany indray fa Jesoa no teo. Jesoa dia manazava ny mpino ka manokatra ny masom-panahy mba ahalalan’ny mpino fa efa nitsangana tamin’ny maty izy. Resiny ny fahafatesana.
2. Maneho ny firaisany amin’ny Mpino
Rehefa avy nampahiratra ny masom-panahin’i Maria Jesoa dia nanome toromarika azy mba ho any amin’ny rahalahiny. Eto Jesoa dia mampiasa voambolana maro entiny hanehoana ny maha akaiky ny mpianatra azy: fiombonan’aina, fifankatiavana, Finoana) fiombonana, antsoin’ i Jesoa mihitsy hoe « rahalahiko » (and 17). eo ihany koa ny hoe « raiko sy rainareo, Andriamanitro sy Andriamanitrareo ». Iray izy ireo matoa mpirahalahy, iray ny Andriamanitra ivavahany dia ilay Rain’i Jesoa Kristy. I Maria no nataon’i Jesoa fitaovana hitondra ny Vaovao Mahafaly, ary ny rahalahiny izay akaiky Azy no niantefan’izany voalohany. Manazava ny mpino ka maneho fa tena tiany, ary te hiombom-piainana aminy.
Fanontaniana:
Inona avy no efa nohazavain’i Jesoa teo amin’ny fiainanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe