Alarobia 24 Mey 2023
LIOKA 12.8-12
Miasa ao amin’ny mpitory Filazantsara ny Fanahy Masina
Mitodika manokana amin’ireo postoliny i Jesoa kristy ao anatin’ireo teny ambarany eto , ny andininy 4 no maneho izany . Hoy izy : « lazaiko aminareo sakaizako hoe «
1-Mba hananana fahasahiana
Ttakian’i Jesoa amin’ireto mpanara-dia Azy eto ny tokony hanehoana « eo anatrehan’ny olona »ny fanekena Azy , satria miantoka ny fanekena na ny fandavan’i Jesoa azy ireo kosa indray rahatrizay hiseho « eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra » izy ireo . Ilàna fahasahiana tanteraka anefa izany fijoroana sy fanekena izany ; indrindra rehefa eo anoloan’ny olona izay mandà sy tsy manaiky Azy, ary vonona ny hampahory mihitsy .Araka izany , ho sarotra amin’ny maha-olombelona fotsiny tsotra izao ny ho sahy hijoro sy hanaiky an’i Jesoa hatramin’ny fahafatesana , fa ny Fanahy Masina kosa dia manome izany ho an’ny irak’Andriamanitra .Tsarovy ny andro Pentekosta (Asa 2.14)
2-Mba hahazoana toky sy fanantenana
Ny amin’izay ho vokatry ny fandavana an’i Kristy sy izay rehetra sahy manaiky Azy eo anatrehan’ny olona dia omen’Andriamanitra toky sy fampanantenana lehibe ny olony : « ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin’izany ora izany izay mety holazainareo » .Mamelona sy manamafy ny finoantsika tokoa izany , satria mahatsiaro isika fa tsy miady irery rehefa miatrika zava-tsarotra sy manahirana noho ny amin’ny Filazantsaran’i Kristy .Eo anilantsika ,manolo-tsaina antsika ary manmpandresy antsika ao anatin’izy ireny ny Fanahy Masina . Koa aza kivy na ketraka fa mazotoa mitory mandrakariva ny Filazantsara .
Fanontaniana:
Inona no tokony hatao manoloana ireo namana mpiara-mitory Filazantsara toa tsy manan-kery fa mora kivy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM