Zoma 08 Oktobra 2021

1 KORINTIANA 11.23-34

Ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

1-Mitaky fandinihan-tena

« Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany , dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka » (and28)

Nananatra ny kristiana tao Korinto iPaoly Apostoly satria raha nihinana ny Fanasan’ny Tompo izy ireo dia nihevitra izany ho toy ny mihinana ny sakafo any an-tranony ihany. Tsy voahaja ny fahamasinan’ny Fanasan’ny Tompo . Ary izany no nahatonga azy nitaona azy ireo handini-tena mialohan’ny handraisana ny Fanasan’ny Tompo . Koa mitaky fandinihantenan’ny tsirairay , na manao ny sitrapon’Andriamanitra na tsia ny fahamasinan’ny tena sy ny Ran’i Jesoa Kristy. Tsy mitovy amin’ny sakafo rehetra io fa famantarana ny fandraisana an’i Jesoa Kristy ilay nijaly sy maty ho famonjena antsika.

2-Mitaky fiombonana

« Koa raha miangona hihinana ianareo ry rahalahy dia mifampiandrasa » (and33)

Tsy voahaja ihany koa ny fiombonana tamin’ny fandraisana ny tena sy ny Ran’i Kristy tao amin’ny Fiangonana tany Korinto. Samy nihevitra izany ho toy ny sakafo ho azy manokana ny tsirairay. Nofoanan’izy ireo tao an-tsainy ny fiheverana fa ny tena sy ny Ran’i Kristy izay raisina dia mahatonga azy ireo ho tena iray . Koa ny mpino kristiana izay mandray ny tenan’i Kristy , izay aseho amin’ny alalan’ny mofo , raisina eo amin’ny Fanasan’ny Tompo, dia maneho ny fiombonana amin’ny samy kristiana aloha izay vao fiombonana amin’ny tenan’i Kristy ihany koa.

Fanontaniana :

Inona avy ireo sakana tsy mampionona ny samy kristiana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 07 Oktobra 2021

HABAKOKA 3.17-19

Ny fanantenana ny Tompo

1-Manome fifaliana

« nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy » (and18). Tononkiram-pinoana nataon’i Habakoka mpaminany eo am-piandrasana amin’ny fanantenana famonjen’Andriamanitra ho an’ny firenena. Ny tsy fisian’ny aviavy, ny voaloboka, ny oliva entina nilazana ny vahoaka tsy afaka miasa ho an’Andriamanitra intsony ary ny ondry sy ny omby izay namelona ny fifandraisana teo amin’Andriamanitra sy ny vahoaka. Rava ny fifandraisana amin’Andriamanitra ary potika ny haren’ny firenena. Na dia eo aza izany rehetra izany , ny olona manana fanantenana dia mifaly amin’Andriamanitra hatrany . Koa mifalia amin’ny fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy.

2-Manome tanjaka

« Jehovah Tompo no tanjako, ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy« … »(and19)

Ambaran’iHabakoka mpaminany fa Jehovah no loharanon-kery. Ka na dia ao anatin’ny fahalemena sy harerahana tanteraka aza , Jehovah no manome hery. Noho ny hery omen’Andriamanitra no mahatonga ny olona reraky ny ady sarotra hatanjaka sy havitrika indray. Koa izay manantenà an’Andriamanitra dia handroso hery hatrany . Jesoa Kristy no herin’Andriamanitra . Koa manantenà Azy , ary na inona na inona fahantrana , olana , manantenà Azy dia hanome hery sy tanjaka anao hatrany Izy.

Fanontaniana :

Hatraiza ny fifaliana sy fanantenanao an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Manjo

SP VATOFEHIZORO AMPITANDRANOMASINA

Alarobia 06 Oktobra 2021

LIOKA 22.7-20

Ny sakafon’ny Fanasan’nyTompo

1-Santatry ny any an-danitra

« …tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra  » (and18)

Ny fiarahan’i Jesoa Kristy nihinana ny Paska tamin’ny mpianatra , izay fahatsiarovana ny fanafahana tamin’ny fanandevozana tany Egypta no hita eto.Tamin’izany no nanehoany fa santatry ny fiaraha-misakafo rahatrizay , hiarahany amin’ny mpino ao amin’ny fiainana mandrakizay izany. Koa izay miara-miombona amin’ny Fanasan’ny Tompo dieny ety ambonin’ny tany ihany no hiaraka hiombona latabatra amin’i Jesoa Kristy ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra rahatrizay. Ho anao izay mbola misalasala dia taomina handroso amin’ny fiombonana latabatra amin’ny Tompo fa santatry ny any an-danitra rahatrizay izany.

2-Fahatsiarovana an’i Jesoa Kristy

« …ity no tenako izay omena ho anareo . Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy« (and19)

Ambaran’i Jesoa Kristy amin’ny mpianatra eto fa ny fiarahany mihinana ny sakafon’ny Paska dia midika fa Izy nanolo-tena ho faty teo amin’ny hazo fijaliana ho famonjena ny mpanota . Manambara ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy ny Fanasan’ny Tompo. Ka izay miombona amin’ny Fanasan’ny Tompo dia mahatsiaro izany asam-panavotana nataon’i Jesoa Kristy izany sy ny famonjena noraisiny noho izany . Nanorina ny Fanasan’ny Tompo i Jesoa hanehoany ny fanatrehany ny mpino kristiana . Ary izany no mahatonga azy hatoky hatrany ny fanatrehan’i Jesoa Kristy Mpamonjy .

Fanontaniana:

Hatraiza ny fahavononanao hiatrika ny Fanasan’nyTompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 05 Oktobra 2021

1 PETERA 5.5-9

Toetran’ny mpino miorina tsara

1-Manetry tena

« manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra , mba hanandratany anareo amin’ny fotoana andro« (and6)

Takiana amin’ny mpino kristiana ny fanetrentena eo amin’ny mpiara-manompo sy eo anatrehan’Andriamanitra . Ny hoe : fanetrentena dia tahaka ny manao ny fanamian’ny andevo ka manatanteraka ny asa fanompoana. Ny fanetrentena dia faneken’ny saina hanao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fikasana sy ny fiainana, manaiky fa ny fahatsarana rehetra dia avy amin’Andriamanitra. Ary raha tsy misy famindrampon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia zava-poana ny fiainana.Koa izay rehetra manana izany fanetrentena izany no hisandratra amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy indray . Koa manàna fanetrentena .

2-Miankina amin’Andriamanitra

« …ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo » (and 7). Manoloana ny fahasahiranana sy ny olana mahazo ny mpino, ny fanenjehana, ny ahiahy sy ny tahotra noho ny amin’izao fiainana izao dia taomina ny kristiana hiankina amin’Andriamanitra .Tokony ho tsaroana mandrakariva fa i Jesoa Kristy no nitondra ny fahotantsika , ary ankehitriny , ento eo Aminy ny fanahianao rehetra . I Jesoa Kristy no efa maty teo amin’ny hazo fijaliana ho famonjena ny mpino rehetra. Izy ihany koa no misolo vava azy eo anatrehan’Andriamanitra Ray , ary mampahery antsika . Noho izany , ento eo amin’i Jesoa Kristy izay manery anao mba hamonjeny anao .

Fanontaniana:

Inona no tsy ahafahanao miankina amin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 04 Oktobra 2021

SALAMO 116.12-19

Ny olona nandray ny famonjen’Andriamanitra

1-Misaotra an’Andriamanitra

« handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny Anaran’i Jehovah » (and13)

Ny fandraisana ny kapoaky ny famonjena dia midika ho fanaovana fanatitra divay sy hira fisaorana izay tsy misaraka amin’ny fanaovana fanatitra zava-mananaina . Izany dia natao tao amin’ny Tempoly ho fanakalazana sy fisaorana an’Andriamanitra noho ny fanafahany ny olony tamin’ny olana samihafa sy ny fahafatesana . Ka ny olona mahatsiaro ny famonjen’Andriamanitra azy no manao fanatitra ho Azy , ary ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fanolorantena . Koa atolory ny Tompo ny tenanao ho fisaorana sy fankalazana Azy tamin’ny namonjeny antsika , tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy , izay maty teo amin’ny hazo fijaliana ..

2-Mijoro ho vavolombelona

« …eny eo anatrehan’ny olony rehetra dia eo an-kianjan’ny tranon’i Jehovah » (and18,19).Tsy hain’ny mpanao salamo ny fomba entina mamaly ny famonjena azony tamin’Andriamanitra . Hany sisa nataony , niantso ny mpiara-belona , ny ray aman-dreny , ny namana ho eo an-kianjan’ny Tempoly hanambarana? fa Jehovah no mpanafaka. Izany no natao dia ny mba hahazoan’ny hafa ihany koa manatona an’i Jehovah ka hisitraka ny fanafahany . Ambarao ny famonjen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy . Taomy ny hafa handray ny famonjena fa sarobidy loatra izany satria tsy amin’izao fiainana izao ihany fa mitohy hatrany amin’ny fiainana mandrakizay .

Fanontaniana:

Inona no ataonao rehefa avy nandray ny famonjen’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 03 Oktobra 2021

EKSODOSY 12.21-29

Ny fanafahan’Andriamanitra

1-Mitaky fankatoavana ny teniny

« raha mahita ny rà eo amin’ny tolam-baravarana sy ny tolana roa jehovah tsy …hamely anareo ny mpandringana« (and23)

Nampitain’i Mosesy tamin’ny loholona ny baiko ho fitandremana ny Paska , ny famonoana ny ondry isaky ny fokom-pirenena, ny fakana hysopa atsoboka amin’ny rà ao anaty bakoly , ny fanosorana rà ny tataom-baravarana sy tolana roa, ny tsy fahazoana mivoaka mandra-pahamarainan’ny andro . Ny fankatoavana ireo baiko ireo ara-bakiteny no antoka hahavoaro amin’ny fahafatesana. Izay rehetra mitandrina ny Tenin’Andriamanitra no afaka amin’ny fandringanana. Toy izany koa , izay mankato ny Tenin’I Jesoa Kristy no ho afaka amin’ny fahatezerana.

2-Ampitaina amin’ny taranaka

« dia holazainareo hoe: …namely ny Egyptiana Izy , fa namonjy ny tao an-tranontsika » (and27)

Rehefa tonga any amin’ny tany Kanana , dia nasaina manohy ny fitandremana ny Paska ny Zanak’Israely ho fahatsiarovana ny fanafahan’i Jehovah. Andevo tany Egypta ny Zanak’Israely kanefa nafahan’i Jehovah ary ampitaina amin’ny taranaka izany. Ny olona mahatsiaro ny fanafahan’ Andriamanitra azy tamin’ny lasa , ka efa miaina ny famonjena no mampita izany amin’ny taranany . Ampitao amin’ ny taranakao ny famonjena nataon’Andriamanitra taminao,tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy , Ilay nandatsaka ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana ho famonjena izay rehetra mino .

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba iainanao ny famonjen’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 02 Oktobra 2021

KOLOSIANA 1.15-20

Jesoa Kristy lahimatoa

« Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita , ny lahimatoa talohan’izao zavatra àry rehetra izao «  (and15).

Ambara eto fa iJesoa Kristy no endrik’Andriamanitra Ray tsy hita maso no aseho amin’ny fahafenoany ao amin’i Jesoa Kristy. Koa ny filazana fa I Jesoa Kristy no lahimatoa amin’ny zava-boahary rehetra dia midika fa Izy no misitraka ny zon’ny lahimatoa .Sady maneho ny maha-Izy Azy an’Andriamanitra i Jesoa , nefa koa ,Izy ilay talohan’ny zava-boahary rehetra. Noho izany , ny zo sy ny voninahitry ny zava-boahary rehetra dia ao amin’i Jesoa Kristy avokoa . Ka izay rehetra te-hisitraka ny zo sy voninahitra amin’ny maha- zanak’Andriamanitra azy dia tsy maintsy mino an’i Jesoa satria Izy no Mpahary.

2-Loharanom-pahavelomana

« Ary …Izy no voalohany , dia ny lahimatoa tamin’ny maty, mba ho lohany amin’ny zavatra rehetra Izy » (and18)

Tamin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny maty no mahatonga an’i Jesoa Kristy ho « lahimatoa tamin’ny maty », tahaka ny maha-santatr’izay efa nodimandry  » Azy (1Kor15.20). Jesoa Kristy no lohany amin’ny fitsanganana amin’ny maty . Ary ny fitsanganany tamin’ny maty dia fandresena ny ota sy ny fahafatesana. Noho izany , izay rehetra manantena ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty dia mila mino an’i Jesoa Kristy , ilay nanafoana ny herin’ny ota sy ny fahafatesana . Ary koa , ao Aminy no itadiavana fiainana sy famonjena satria efa nanaiky Azy izao rehetra izao.

Fanontaniana :

Amin’ny fomba ahoana no hanehoanao ny finoana an’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 01 Oktobra 2021

JAONA 6.52-58

Ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

1-Fiombonana amin’i Jesoa Kristy

«  Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay ... »(and 54) .Ambaran’i Jesoa Kristy amin’ny mpihaino Azy eto fa fepetra tsy maintsy arahina hahazoana antoka ny fananana fiainana ao Aminy , ny fihinana ny nofony sy ny rany. Ny fihinana ny nofo sy ny ran’i Jesoa Kristy izay mariky ny fananana an’i Kristy , fiombonana sy fahavelomana ao Aminy .Tsy manana fiainana mihitsy ny olona izay tsy mpiombona amin’i Jesoa Kristy , amin’ny alalan’ny Fanasan’nyTompo . Koa izay rehetra te-hanana fiombonana sy fahavelomana ary indrindra handova ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy manaiky hiombona amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

2-Fandraisana ny irak’i Jesoa Kristy

« Ary tahaka ny nanirahan’ny Ray velona Ahy ary izaho koa velona amin’ny Ray … »(and57). Ampahatsiahivin’i Jesoa Kristy eto fa Andriamanitra Ray no naniraka Azy ho ety amin’izao tontolo izao mba hizara fiainana ho an’ny olona rehetra . Dia toy izany ihany koa , ny olona izay efa miombona sy manana fiainana ao amin’iJesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fanasan’nyTompo dia mandray iraka avy amin’iJesoa Kristy ihany koa . Izay rehetra mahatsiaro ho manana fiombonana sy fiainana ao amin’i Jesoa Kristy dia vonona hizara fiainana sy fahavelomana izay noraisiny tamin’i Kristy ho an’ny hafa ihany koa. Koa ambarao amin’ny hafa fa Jesoa Kristy no tena fiainana .

Fanontaniana:

Inona no sakana tsy anambaranao an’i Jesoa amin’ny hafa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM