SP Afovoany Andrefana(01)

Anarana sy Fifandraisana

Biraon’ny SP:

FPS   :                            RANDRIANARISAINA Arilaza, Mpitandrina – 033 71 946 04

FM1   :                            RAVALINDRAIBE Andriantoky Rosa, Mpitandrina – 034 15 407 15

FM2   : RAKOTONDRAZAKA Volantanely – 034 11 232 92 – tarakoto1@yahoo.fr

MSF : ANDRIAMAMPIANINA Zo Nantenaina, Mpitandrina. –

         034 36 845 64, 033 14 840 61 – zo_mampianina11@yahoo.fr

MSV  :                            RAKOTOSON Tovo – 033 11 170 16, 034 01 040 57 – tovofaneva@live.fr

MV :                              RASOLONJATOVO Desiré Ange, Diak. – 033 03 685 53

MS :                              VOLOLONKERIMALALA Omega, Mpit. – FJKM Amboniriana – 034 12 149 85

MF :                              RAJAONARIVONY Samuel, Mpit. – 034 27 320 91

M.B   :                            RAHARIMAMPIONONA Vero Fanantenana, Mpit. – FJKM Ambatomitsangana

         MAMINIRINA Fanomezantsoa, Mpitandrina, FJKM Marianina

         ANDRIAMANORO Jean Barson, FJKM Ambohitrimerina

         RAKOTOMANANTSOA Martial, FJKM Ankonabe

Filohan’ny FIFAMPI : RANOMENJANABOLAHARISOA Raymond, Mpit.

Ireo Mpitandrina sy ny Fitandremana entiny

Faritra andrefana atsimo

RANDRIAMBOLA Hefanirina Augustin : Ambatolampy Fahasoavana – 034 01 446 01

RATIANAMAMINIAINA Florence : Androvakely – 034 15 407 01

ANDRIAMBELO Ny Aina : Anorohoro

ANDRIAMALALA Hery Zo Fidèle : Ankonabe Kristy Fehizoro – 034 38 034 56

Faritra andrefana avaratra

RAHERIMAMPIONONA Tafitasoa Berthine : Morarano Fibebahana Maritampona –

034 29327 66, 033 05 707 91

ANDRIANTSARAFARA Mamy Heninkaja : Antanety Andrefana – 034 60 566 01

RANDRIANANTENAINA Pascal : Antalevana – 034 10 694 47

Faritra atsimo

RAMANAMPAMONJY Herizo : Amboarasoa Ezaka Fiderana – 033 09 522 23

FANAMBINANTSOA Natolojanahary T. : Antsahasoa tohatry ny paradisa – 034 92 459 93

RAHARIMAMPIONONA Vero Aina Fanantenana : Ambatomitsangana – 033 12 358 54

RAMAHERISON Lovasoa Manitra : Ambohibe – 033 19 820 66

RANAIVOELINASOLO Lydie Margiant : Ambohipiaro Fihavaozana – 034 35 580 05

RASOAVOLOLONA Julianna : Ambohitrambo Kristy Fehizoro

RAZAKANIRINA Fanomezantsoa : Ambohitrantenaina Maritiora – 033 03 461 20

VOLOLONKERIMALALA Omega : Amboniriana – 034 12 149 85, 033 46 888 55

ANDRIAMANEVATSIRY Vavakamandresy : Andavabato Atsimo – 034 29 701 49

RATSARAFIAVY Vonimalala Haingonantenaina : Tsimatahodaza – 034 29 235 03

Faritra avaratra :

ANDRIAMAHERY Miandrisoa : Mahatsinjo – 034 84 379 87, 033 76 483 56

RAKOTOMAZAVA Todisoa Marcel : Ambohiboanjo Lovasoa – 034 40 963 38

RAKOTO NOELY Domoina : Ankadimalaza – 034 50 395 38

RAZAIARIVOHITRA Elisabeth : Soalazaina Fihavaozana- 034 76 978 65, 033 67 928 63

RAFIFALIANTSOA Fety Michel : Ambohimandroso – 034 93 965 33, 033 19 803 84

RAKOTONDRAMANANA Natanaela : Ambohitritankady F.-034 89 294 31, 033 20 430 31

RAHAJARIMALALA Maminirina : Ambohitrimerina – 034 97 405 14

RANDRIANARIMANANA Charles : Ambohidrazana – 034 31 671 85, 033 80 060 21

RAFAMANTANANTSOA Roger Luc : Ambohimanana – 034 12 080 95

RAVOROMBATO Narcisse : Anjanamanga

RAMALANJAONA Yves : Antambolo – 034 09 281 06

Faritra Atsinanana :

ANDRIAMAMPIANINA Zo Nantenaina : Andratrehana Mihavao – 034 36 845 64RAVALINDRAIBE Andriatoky Rosa : Miadampahonina Fahazavana – 034 15 407 15

RAKOTOARIMANANA Andriamanantena : Ikianja Betela – 034 19 58430

BAKOMIRIJA Berilanadriana : Mahereza Fihavaozana – 034 50 800 21

MAMINIRINA Fanomezantsoa : Marianina Hermona – 033 47 685 60, 034 93 795 75

RAJAONARIMIZA Mirarisoa Hanitra : Ampangabe Betlehema – 033 08 190 83

RAJAONARIVONY Samuel : Imerintsiafindra Ambohitrandriana – 032 58 640 29

RAKOTOZANANY Norosoa Miantra : Katsaoka Fandresena-0324514340, 0349157854

RANDRIANAIVOSON Marcel : Zoara Ambohinaorina – 034 40 291 31, 033 73 878 84

RANOARISON Mamy : Mangabe Masinandriana – 034 15 029 83, 032 09 164 57

RANOMENJANABOLAHARISOA Raymond : Ankadivory A.-0328302570, 034 55 005 83

RASOANANDRASANA Sahondra : Manankasina Fahasoavana – 0348262076, 0334553833

RASOLONJATOVO Benjamina : Antanifisaka – 034 90 710 62

RAZAIMALALA Harisoa : Miankotsorano Finoana – 034 12 546 08, 033 67 413 25

TOUSSAINT Robert : Mahabo Antongona Fanantenana – 039 16 713 56

MIARINJARA Marie Licette : Tsiarofarano – 034 10 906 73

ANDRIAMIHARISOA Jeremia Romy : Iombivato – 034 10 377 85

RIVOARINIVO Hobiniaina : Antanety Finoana – 033 87 239 11, 034 99 789 93

RAPARISON Jean Mariel Joçelyn : Amparihikely Fanavaozana – 034 10 33864

Ireo Katekista Delege

RANDRIANARISOA Vero : Ambohitrimo

RAVOAHANGIARIMANANA Rosette : Ambohidramijay

RAVELOJAONA Marthe : Miarinarivo

RAKOTONDRAZAKA Raymond : Ambatomainty

RAZAFINDRAVAO Jacqueline : Vinaninony

RAZAKANAIVO Joelison Nambinina : Tsiafakarivo

RAFANOMEZANTSOA Théophile : Filadelfia

RAVOLOLOMIHANTA Nivo : Andavabato Ouest

ANDRIANARISON Hery Raymond : Fanjakely

FANOMEZANTSOA Lanto Hery : Soavimanjaka

SOLO Henriette : Ambohipihaonana

RABEMANANJARA Andry Noel : Masobe

RAZELIALISOA Eulalie Hyancithe : Ambatolava

RAZANADRAMARO Clotilde : Manandona Nafindra

ANDRIANIRINA Tiana

Ireo Tale sy ny Sekoly iadidiany

TALE FPMP : RATOVONDRAHONA Vololontsoa Zoé – 0330651326/0347016070

CP FJKM Ambohimanana : RAZAIARIMALALA Sitrakiniaina L. – 033732193 /338044041

CP FJKM LA SOURCE Ampangabe : RAPARISAONA Jean Claude – 0341875622           

CP FJKM Lalantsoa Antanifisaka : RAHERINJATOVO A. Vony Fitiavana – 0338119366

EP FJKM Ambohiboahangy Imeritsiafindra : –                                                              

EP FJKM Ambohidrano : –                                                                        

EP FJKM Anjanamanga Soanavela : RINAHARIMALALA Onisoa Angelà Parfaite –            034 08 733 91 / 034 76 391 74    

EP FJKM Antanimarina : RASOARIMALALA Claudine Felana –

033 86 733 75 / 034 04 526 98                 

EP FJKM Betela Famonjena Avarabohitra : RAZAFINIRINA H. Lovasoa – 0348448632

EP FJKM Mahabo Antongona Fanantenana : –                                                            

EP FJKM Protestanta A/trinimerina : RANTOANDROARIMANANA J. Odette – 0333235354

EP FJKM Vinaninony Soaronono : RASOAZANANIVO Marie – 0346891210      

LP FJKM Taratra Mangabe : RATOVONDRAHONA V. Zoé – 0330651326/347016070       

Atontan’isa tsara ho fantatra:

Isan’ny Mpitandrina : 48             Isan’ny fitandremana : 74

Isan’ny Fiangonana : 102            Katekista Delege : 15

Sekoly : 21

Zoma 15 Oktobra 2021

2 Tantara 30. 13-20

Ny olona mankalaza ny fahafahana

1- Manala ny faharatsiana eo aminy

« Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema … » (and. 14)

Tamin’ny andron’i Ahaza mpanjaka dia nalainy ny fanaka tao amin’ny Tempoly dia nanaovany alitaram-tsampy eran’ny ny zoron-dàlana rehetra tany Jerosalema. Rehefa tonga teo amin’ny fanjakany i Hezekia dia nandrava izany rehetra izany mialohan’ny hankalazana ny fahatsiarovana ny fanafahana, dia nandrava sy nanary ny sampy izy. Toy zany koa, mialohan’ny hankalazana ny fahatsiarovana ny famonjena sy ny fanafahan’i Jesoa Kristy ny mpino, tamin’ny herin’ny ota, dia mila manary ny sampy rehetra. Ario ny sampy rehetra ao aminao mialohan’ny handraisana ny Fanasan’ny Tompo.

2- Andriamanitra mamela ny helony

« Ary Hezekia nivavaka… Ary Jehovah nihaino an’i Hezekia ka nahasitrana ny olona. » (and. 18. 20)

Maro tamin’ireo avy any amin’ny tany lavitra no tonga nitady an’i Jehovah kanefa tsy nahatratra ny fotoana fidiovana. Nifona tamin’i Jehovah ho azy ireny ny mpanjaka Hezekia. Satria tena vonona hitady an’i Jehovah ireny olona ireny dia nihaino an’i Hezekia Jehovah ka namindra fo tamin’ny olona. Amin’ny fotoana izay anehoan’ny olona fahavononana hitady an’Andriamanitra dia mamindra fo sy mamela ny heloka rehetra tamin’ny fahadisoan’ny olona Izy. Koa mitadiava an’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia ho voavela ny helokao.

Fanontaniana :

Inona no tsy ampy amin’ny fanantonanao an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Toriteny sy Sakramenta

Fandalinam-pinoana

TORITENY SY SAKRAMENTA 

Zavatra roa ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny Toriteny sy ny Sakramenta. Fa tsy mitovy ny laharana omen’ny isam-piangonana azy, araka ny teolojiany. Ny fahafantarana tsara izany, dia mampitombo ny fiorenantsika amin’ny foto-pinoana sy fampianaran’ny Fiangonana misy antsika.

1. AMBONY LAHARANA NY SAKRAMENTA

Ny Fiangonana Katolika no manana ity fijery ity. Ho azy, dia mitana ny toerana lehibe sy voalohany ny Sakramenta. Ny Sakramenta no mamelona ny Finoana sy manondrotra azy ho an’ny amin’ny faratampony.

Ilaina ny Toriteny amin’ny fanompoam-pivavahana, hoy ny Fiangonana Katolika, fa tsy mitana ny toerana voalohany. Manaraka aorian’ny Sakramenta ny Toriteny, azo tsy asiana. Mpanompon’ny Sakramenta ny Toriteny, miankina aminy, baikoiny. Ho an’ny trano fiangonana katolika sasany izay ahitana azy, dia eny ivelan’ny Otely misy ny Latabatra Masina ny Fitorianteny. Ny Katedraly Andohalo dia manana izany, izay toy ny Polipitra protestanta ireny. Raha tsy manana kosa ilay trano fiangonana katolika, dia eo amin’ny Otely ka eny amin’ny sisiny no misy io Fitorianteny io.

2. MITOVY LAHARANA IZY ROA

Ny Fiangonana Loterana no manana ity fijery ity. Samy zava-dehibe aminy ny Toriteny sy ny Sakramenta: mitovy lanja, mitovy asa. Tsy misy ambonian’ny Loterana manokana ireo zavatra roa ireo.

Avy amin’ny Tenin’Andriamanitra no ivoahan’ny Toriteny sy ny Sakramenta. Loharano iray ihany, fototra iray ihany, ary atobaka ho an’ny Fiangonana. Araka an’i Lotera, ny Fanasan’ny Tompo dia Teny hita maso, Toriteny azo tsapain-tanana. Amafisin’i Melanchthon izany : “ny Finoana dia mifoha avy amin’ny Teny sy ny Sakramenta”. Ny Fitorianteny ho an’ny Fiangonana Loterana dia miray toerana amin’ny Latabatra Masina, mifanaraka amin’io fijery mampitovy laharana azy roa io.

3. AMBONY LAHARANA NY TORITENY

Ny Fiangonana reforme, toy ny FJKM, no manana ity fijery ity. Ny Toriteny no iasan’Andriamanitra voalohany ao amin’ny olona, vao manaraka ny Sakramenta. Tsy azo atao ny Fanasan’ny Tompo, raha tsy misy Toriteny mialoha azy. Izany koa no ametrahany nyBatisa aorian’ny Toriteny.

Ny “Confession de la Rochelle” (1559-1570), ahitana ny foto-pampianarana reforme, dia milaza fa « nomen’Andriamanitra ny Fanasan’ny Tompo ho fanampin’ny Toriteny ». ny « Consensus Tigurinus” (1549) dia milaza ny Fanasan’ny Tompo ho miankina sy fanampin’ny Toriteny, ary ambany ny laharany amin’izany.

Ho an’ny Fiangonana refome, dia eo afovoan’ny Alitara no misy ny Polipitra, noho izy fototry ny fanompoam-pivavahana ataony. Ary mivohitra sy avo toerana mihasinkasina izany, mihoatra noho ny Latabatra Masina eo ambaniny eo.

4. AVELA NY SAKRAMENTA

Taty amin’ny taonjato faha 18 dia nampianatra izany ny Frenjy. Nampianariny fa, manome vahana ny fivavahana manaraka sy manaja fomba fotsiny ny Fiangonana amin’ireny Sakramenta ireny. Tsy hita akory izay finoana sy fahamasinam-piainana entiny ho an’ny Fiangonana. Najanon’ny Frenjy tanteraka ny Sakramenta, fa nataony hoe “mandray am-panahy”, tsy misy mihinana sy misotro.

Teo koa ny “Armée du salut” tamin’ny taonjato faha 19. Nantsoina hoe salutiste izy ireto. Mitovitovy ihany tamin’ny fijerin’ny Frenjy ny azy ireto. Saingy tsy azo itokiana ny Sakramenta, hoy izy ireto, fa tsy hoe avela tanteraka akory.

Ny toeran’ny Toriteny no mivohitra tsara ao am-piangonana, ho azy roa ireto. Tsy manana anjara toerana ao amin’ny fanompoam-pivavahana ny Sakramenta.

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra .

P. A. Zaka

PST ZAKA TORITENY SY SAKRAMENTA 943 OK.docxOuvrir avec Google DocsPage 1 sur 2

Alakamisy 14 Oktobra

GALATIANA 6. 11 – 18

Ny finoana ny famonjen’i Kristy

1- Mitarika fanenjehana

« … fandrao henjehina noho ny hazo hazofijalian’i Kristy izy. » (and. 12)

Nanenjika ny Kristiana tsy manaiky hoforana ny Jiosy. Amin’i Paoly Apostoly, ny kristiana tsy azo ekena hoforana ho fialana amin’ny fanenjehana. Fahadalana sy henatra ny finoana ny hazofijaliana ka noroahina tsy mahazo miangona tao amin’ny Synagoga ny kristiana tsy manaiky ny teny hoe « voahozona Jesoa ». Niaina fanenjehana noho ny finoana an’i Jesoa Kristy sy miaina ny finoana an’i Jesoa Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana ho famonjena ny mpanota ny olona, dia henjehina. Koa aza gaga raha miatrika fanenjehana noho ny finoana ny famonjen’i Kristy ianao.

2- Fiainam-baovao

«  Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na tsyfamorana, fa ny ho olom-baovao. » (and. 15)

Nanome lanja ny fombafombam-pivavahana sy tia fihetsiketsehana ety ivelany fotsiny ihany fa tsy tena miorina amin’ny finoana ny Jodaisma. Nitaona ny kristiana Galatiana ho forana ireo mpampianatra sandoka. Kanefa tsy ny fanaovana ireo fombafombam-pivavahana na tsia akory no handraisana ny famonjen’i Kristy fa ny finoana Azy. Izay rehetra manaiky fa i Jesoa Kristy voahombo teo amin’ny hazofijaliana ho famonjena ny mpanota ihany no manana fiainam-baovao ao Aminy. Fa izay takian’Andriamanitra amin’ny olona dia ny hiaina ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba iainanao ny famonjen’i Jesoa Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 13 Oktobra 2021

Asan’ny Apostoly 2. 41 – 47

Ny olona nampiombonin’ny Tenin’Andriamanitra

1- Miombona amin’ny fifanampiana

« Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra, » (and. 44)

Rehefa nandre sy nandray tsara ny Tenin’Andriamanitra ireo Kristianina voalohany, dia tonga fiainan’izy ireo mihitsy izany. Nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fiombonana ny Tenin’Andriamanitra : niray toerana , niombonana fananana, nivarotra tany sy fananana ka nozaraina tamin’ny tsy manana. Rehefa mino ny Filazantsara ny olona dia mandala ny fiombonana sy ny fifanampiana , indrindra eo amin’ny samy mpianakavy ny finoana. Ny finoana ny Filazantsara an’i Jesoa Kristy dia mitarika ho amin’ny fiombonana sy fifampitsinjovana . Minoa ny tenin’i Jesoa Kristy dia hahay hiombona sy hanampy ny hafa ianao.

2- Miombona amin’ny Fanasan’ny Tompo

« Ary dia niray saina isanandro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly ary namaky mofo… » (and. 46)

Ireo izay nino ny Filazantsara dia nazoto niombona tamin’ny fiaraha- manompo teo amin’ny kianjan’ny Tempoly sy ny Fanasan’ny Tompo tamin’ny fifaliana. Mariky ny fandraisan’ny olona ny Filazantsara ny fiombonana amin’ny fiderana an’Andriamanitra izay foto-kevitry ny Fanasan’ny Tompo. Ny fiombonana ivelan’ny finoana ny Filazantsara dia tsy misy fifaliana ho amin’ny fanompoana sy ny Fanasan’ny Tompo. Ny olona mino ny Filzantsaran’i Jesoa Kristy no mahay miombona , amin’ny fifaliana amin’ny fanompoana eo amin’ny fiangonana sy ny Fanasan’ny Tompo.

Fanontaniana :

Inona no sakana tsy hanananao fiombonana amin’ny mpino hafa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 12 Oktobra 2021

ISAIA 55.1-3

Andriamanitra mampanantena fahafahana

1- Manome ny fahasoavany

« …Eny, avia mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola , na amin-karena. » (and. 1)

Fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny Jiosy babo tany Babylona ny hiverenan’izy ireo amin’ny taniny indray. Antsoina ny mangetaheta hisotro, ny tsy manam-bola hividy, hihinana sy hisotro maimaimpoana. Vidiana ilay sakafo miantoka ny fahavelomana fa tsy ilay mihinana sy misotro akory no miantoka an’izany fa omen’Adriamanitra maimaimpoana. Fahasoavana izany. Rehefa manaiky hanantona an’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, ilay nandatsaka ny Rany nividianany ny mpanota isika, dia hisitraka ireo fahasoavana samihafa avy amin’izany.

2- Mitaona ny olona hitandrina ny teniny

« Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo. » (and. 2)

Lazaina ho mandany vola sy fisasarana amin’izay tsy mahavoky ny olona izay miezaka mitady fiadanana ivelan’ny fihainoana sy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra. Ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra no sakafo tsara indrindra satria « hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay » (Jao. 6. 27). Ary izany no sakafo omen’i Jesoa Kristy izay rehetra mino Azy, dia ny tenany sy ny rany izay tsy hafa akory fa Tenin’Andriamanitra aseho amin’ny fomba hita maso.

Fanontaniana :

Inona no hanehoanao ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 11 Oktobra 2021

SALAMO 117.1-2

Ny fiderana an’Andriamanitra

1-Adidin’ny olona rehetra

« Miderà an’i Jehovah ry firenena rehetra. Miderà Azy ry olona rehetra » (and1). taomin’ny mpanao salamo ny « firenena rehetra » sy ny « olona rehetra » hidera an’Andriamanitra . Didiana mihitsy ny olona rehetra monina eto ambonin’ny tany hidera an’Andriamanitra , satria Jehovah no Tompon’ny tany rehetra , fa ny Israely no fanjakam-pisorona (Eks 19.5,6). Ka na ny firenena Jentilisa aza dia tokony hidera an’Andriamanitra Tompon’ny tany satria monina ety ambonin’ny tany izy . Ary ny fiderana an’Andriamanitra tsara indrindra dia ny fanompoana Azy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy mandritry ny fotoana iainana ety ambonin’ny tany dia ny tany izay nomen’i Jehovah Andriamanitra azy .

2-Amin’ny fahatsarany

« Fa lehibe ny famindrampony amintsika, ary mandrakizay ny fahamarinan’i Jehovah.Haleloia » (and2) . Andriamanitra mamindra fo sy marina Jehovah. Manoloana ny fanompoan-tsampy sy ny fivadibadihan’ny vahoaka Israely miverimberina .Andriamanitra kosa mamindra fo sy marina mandrakizay . Ary ho tombotsoan’ny vahoaka no anton’ny famindrampon’Andriamanitra . Ny famindrampo sy ny fahamarinan’Andriamanitra dia mihoatra lavitra noho ny faharatsian’ny vahoaka amin’ny firenena ary izany no nanirahany an’i Jesoa Kristy tety an-tany hamonjy izao tontolo izao . Andriamanitra tsara , mpamindra fo , marina ka tokony hoderaina indrindra Jehovah.

Fanontaniana :

Ahoana no fomba ideranao an’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 10 Oktobra 2021

MATIO 26.26-29

Ny Fanasan’ny Tompo

1-Fanomezana avy amin’i Jesoa Kristy

« …nandray mofo i Jesoa ka nony efa nisaotra Izy dia novakiany ka natolony ny mpianatra… » (and26)

Tamin’ny nanorenan’i Jesoa Kristy ny Fanasan’ny Tompo no namakiany ny mofo tsy misy masirasira izay isan’ny sakafon’ny Paska tamin’izany . Ny famakiana ny mofo dia midika fa ny tenan’i Jesoa mihitsy no hovakiana, hopotehina amin’ny fahoriana ary amin’ny fahafatesana . Izany no natolony ny mpianany . Noho izany , ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia fandraisana ny fanomezana sarobidy indrindra izay natolotr’i Jesoa Kristy ho famonjena ny mpino dia ny tenany izany . Ny tenan’i Jesoa Kristy mihitsy no natolony ho fiainana ho antsika.

2-Andraisana famelankeloka

« ..fa ity no Rako dia ny amin’ny fanekena izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka « (and 28)

Tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana , nandatsaka ny Rany no handraisan’izay rehetra mino ny famelan-keloka. Fanekena vaovao miorina amin’ny Ran’i Jesoa Kristy ho famonjena ny mpanota . Ny tanJon’ny fandatsahan’i Jesoa Kristy ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana dia famonjena ny mpanota. Koa ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia tombokase sy antoka hahazoana famelan-keloka . Misitraka ny fitiavan’i Jesoa Kristy ka nahatonga Azy hividy ny mpanota tamin’ny Rany ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo . Koa ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo no antoka sy fahatsiarovana ny famelan-keloka.

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba iainanao ny famelan-keloka ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 09 Oktobra 2021

JOSOA 24.23-28

Ny fanompoana an’Andriamanitra

1-Safidy

« …Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay » (and24)

Rehefa nambaran’i Josoa tamin’ny Zanak’Israely fa raha hanompo an’i Jehovah izy ireo ,dia tsy maintsy manary ny sampy ,dia nanamafy ny fahavononany hanompo an’i Jehovah izy ireo .Nisafidy ny hanompo sy hihaino ny feon’i Jehovah ny vahoaka. Safidy ho an’ny olona tsirairay ny hanompo, an’i Jehovah na tsia .Amin’ny fotoana izay isafidianana hanompo an’i Jehovah dia tsy maintsy manary ny sampy .Ho anao izay misafidy hanompo an’i Jehovah , dia arionareo ankehitriny ary ny andriamanin-kafa izay eo aminareo .Manompoa an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy ary aza manana andriamanin-kafa intsony .

2-Fihazonana ny fanekena (and 27)

Rehefa nanaiky hanompo an’i Jehovah ny Zanak’Israely dia ny vato no nambaran’i Josoa ho vavolombelona fa efa nandre ny tenin’i Jehovah izy ireo . Sady vavolombelona amin’ny tenany ny vahoaka no vavolombelona eo anatrehan’ny zava-boahary fa efa nanaiky hanompo an’i Jehovah . Mitàna ny fanekena nataony ny olona misafidy hanompo an’i Jehovah ,tsy miala amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra , ary raha sanatria miala amin’ny fanompoana an’i Jehovah izany olona izany dia ny vato no hiampanga azy amin’Andriamanitra . Efa nanao fanekena vaovao tamintsika Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ka manompoa Azy hatramin’ny farany .

Fanontaniana :

Inona no mahatonga ny olona hiala amin’ny fanekeny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM