FJKM/ Vina Fampandrosoana

Miatrika 4 taona vaovao ho fanatanterahana ny vina amin’ny fampandrosoana

« Miorena tsara, aza miova; » (1 Korintiana 15:58)

Araka ny fahefana omen’ny fitsipika sy ny fotodalana FJKM, dia ny Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, izay Filoha ny FJKM, no manolotra ny vinan’ny FJKM, ka notanterahin’ny Filoha FJKM, Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina izany, teo anivon’ny Mpiandraikitra Foibe, araka ny soridalan’ny Synoda Lehibe, ary dia nankatoavin’izy ireo, ka natolony ny Mpitandrina rehetra sy ny Fiangonana ampahibemaso, teny amin’ny kianja coliséum Antsonjombe, ny Alahady 17 Oktobra 2021, taorian’ny fotom-pivavahana fanolorana sy fitondrana am-bavaka ireo tomponandraikitra vaovao an’ny FJKM, ho an’ny taom-piasana 4 taona ho avy.  

Toy izao ny andinindininy :

1/ Vina FOTOTRA iainan’ny FJKM dia ny fametrahana hatrany, ho firenena kristiana an’i Madagasikara hatramin’ny taona 2118.

2/ Teny faneva ho an’ny 4 taona ho avy : “Miorena tsara, aza miova” (1 Korintiana 15:58).

3/ Vina IAINANA ao anatin’ny 4 taona : “Vontosy Filazantsara i Madagasikara, Filazantsara manova ny tantara”  (Raha Kaomina 407 no nofaritana fa ho asiana FJKM, dia Kaomina 463 no vita, ary niampy Fokontany 39 sy fametrahana ny FJKM tany amin’ny Nosy “Seychelles” sy ny Nosy Kômôro ary ny VOMM (Vondron’Olona Miara-Mivavaka) tafapetraka any Erôpa sy Kanada. Mitohy hatrany ny asa efa natomboka teo aloha, dia ny fametrahana FJKM, any amin’ny toerana mbola tsy misy izany sy ny fametrahana hatrany ireo fotodrafitrasa ilain’ny Fiangonana, ho Fitoriana ny Filazantsaran’i Kristy Jesoa manerana izao tontolo izao, araka ny iraky ny Tompo (Matio 28:19-20), ho Filazantsara hamoa (Tafalatsaka ao anaty). Ny fiainana ny Filazantsara hanova ny tantara io no ezaka hataontsika eo ambany fitantanan’i Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana, mba hisy ny vokatra mivaingana, hita taratra sady haingana, azo tsapain-tanana aterak’izany eo anivon’ny Fiangonana sy ny Firenena.

FJKM manao ahoana ary no hilofosantsika miaraka hajoro, raha sitrapon’Andriamanitra ao anatin’ny 4 taona ho avy :

  1. FJKM mafy orina amin’ny fitoriana Filazantsara sy ny asan’ny misiona, ka manova ny tantaran’ny fianakaviana, manova ny tantaran’ny Fiangonana, manova ny tantaran’ny fiaraha-monina, ka vokatra andrasana farafahakeliny, tsy maintsy azo avy amin’ny isam-pitandremana tsirairay, manerana ny sahan’ny FJKM ao anatin’ny 4 taona ho avy :  
  2. Ny fametrahana ny vaomieran’ny hazakazaka masina, araka ny tapaky ny Synoda Lehibe
  3. Ho tarazo iainan’ny FJKM manontolo manomboka izao, ny herinandron’ny fianakaviana (Manaraka ny tondrozotra omen’ny FJKM), tahaka ny fisian’ny herinandro Masina sy ny herinandron’ny Fanahy Masina ary ny herinandro Sambatra  
  4. FJKM mafy orina amin’ny asa fampandrosoana sady mampamokatra ireo harena nomen’Andriamanitra azy, no mitondra fitahiana ho an’ny firenena ihany koa. Tsy maintsy tafajoro ato anatin’ny 4 taona :
  5. Ny fametrahana ny vaomieran’ny fananana miasa tsara eo anivon’ny Fitandremana sy ny Synodamparitany rehetra (Indrindra ireo Fiangonana mpanampy rehetra sy ny fiangonana manampy rehetra),
  6. Ny fametrahana ny Sampandraharahan’ny fampamokarana miasa tsara
  7. FJKM mafy orina amin’ny asa fanabeazana ka misonga hatrany ny sekoly FJKM amin’ny ambaratonga rehetra (Fibeazana, voalohany, faharoa, fahatelo, ambaratonga ambony), sy ny sokajy rehetra ary ny fampianarana ankapobeny sy ny fampianarana teknika. Vokatra farafahakeliny tsy maintsy azo ato anatin’ny 4 taona :
  8. Ny fananganana sekoly FJKM vaovao miisa 111 raha kely indrindra
  9. Ny fananganana oniversity 3 manerana an’ny Madagasikara raha kely indrindra
  10. Ny famoahana ny boky Soratra Masina iainana, izay hampianarana amin’ny fomba matotra ny fiainana ny Soratra Masina manerana ny Sekoly FJKM
  11. Ny famitana ireo trano 2 (Any Imerimandroso Ambatondrazaka, izay tsangambaton’ny ny faha 200 taona ny sekoly protestanta FJKM), ho toerana fanomanana mpampianatra FJKM, ho an’ny ambaratonga voalohany
  12.  FJKM mafy orina amin’ny fitantanana, ka samy ho tsara tantana na ny mpiasa na ny vola. Vokatra tsy maintsy azo raha kely indrindra :   
  13. Ny famitana ny fanofanana manokana ireo mpitondra ambony FJKM toy ny Birao Mpiandraikitra Foibe, Sekretera Jeneraly, Tonia Departemanta, Prezida Synodaly, Tonia sy Tale, izay omena fanofanana manokana 
  14. Ny fananganana ny vaomiera maharitra amin’ny fotoana, ho fametrahan’ny Departemanta ny vola sy ny mpiasa ary ny fananana, ny asany
  15. Ny fananganana ny kitapo iombonana nohavaozina FJKM, ho an’ny fitantanambola FJKM 
  16.  FJKM mafy orina amin’ny fijoroana vavolombelona eto amin’ny firenena, ka ho fanasina sy ho fahazavana kokoa ny FJKM, ka ny vokatra tsy maintsy azo raha kely indrindra ato anatin’ny 4 taona :  
  17. Ny fanatsarana ny Asa fifandraisana sy fampitam-baovao FJKM, ka Radio Fahazavana 4 raha kely indrindra no ho tafapetraka any amin’ny Synodamparitany mbola tsy misy, ary hisokatra ara-dalana ny Fahazavana Televisiona
  18. Hatsangana ny hôpitaly FJKM
  19. Tafapetraka manerana ny Synodamparitany 37 ny MFEE (Maraichère fruitier d’éducation environnementale), ho fambolena hazo fihinamboa
  20. Tafapetraka ao amin’ny tetikasan’ny seha-panabeazana FJKM rehetra sy any amin’ny akany ary Sampana rehetra sy ny Sampanasa rehetra, any amin’ny sekoly FJKM rehetra, any amin’ny SEFALA rehetra sy SETELA, hita ao anatin’ny fampiofanana rehetra, sy ny « recyclage pastoral » rehetra izay atao, sy ny fihaonambe rehetra, ka ampidirina ho taranja tsy maintsy hatao ho vokatry ny tenin’Andriamanitra iainana ny :
  21. Fandalàna ny fahamarinana
  22. Fitiava-tanindrazana
  23. Fikajiana ny tontolo iainana mba ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra namorona izao rehetra izao isika FJKM

Hisy hatrany ny tatitry ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe isaky ny enim-bolana, aorian’ny fahavitany, ho fampiharana ireo hevitra tapaka. Aoka hitohy hatrany ny fiainam-bavaka hoy ny Filoha FJKM. An’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.                                       

                                                                                                                                                                     MAMY NIRINA

HAFATRY ny MF 01/SL XIX

« Miorena tsara, aza miova »

1 Kor 15.58b

Antananarivo 20 Oktobra 2021

CFD Ampandrana: 13 – 20 Oktobra 2021

Ry Havana Malala,

Hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny Fitiavana! (Joda 1.2).

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory teto Antananarivo ny 13-20 Oktobra 2021 dia manao izao hafatra izao ho an’ny Mpitandrina sy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra:

Misaotra an’Andriamanitra isika fa vita tamin’izao fivorian’ny MF izao ny fanavaozana ireo tomponandraikitra samihafa eo anivon’ny Foibe FJKM (S.J, TDF, TDS, TDMV, FIFAMPI sy FIFAFI, Mpandini-bola).Voapetraka tamin’ny fomban’ny Fiangonana ireo Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ireo Mpiandraikitra Foibe, ary ireo tomponandraikitra vaovao tamin’ny Alahady 17 Oktobra 2021 teo, tao amin’ny Coliseum Antsonjombe Antananarivo.

Misaotra ny Fiangonana rehetra tamin’ny ezaka fanefana adidy ary mampirisika ireo mbola tsy nahavita ny anjarany. Entanina hatrany isika  ho tia sy hanohana ny asa iombonana sy ny mpiasa iombonana. Koa asaina hiombona amin’ny Fanompoam-pivavahana amin’ny 16 Janoary 2022 ho fangataham-pitahiana ho an’ny taom-piasana 2022 isika rehetra.

Vina fototra tazonintsika ny hoe: “Mbola ho firenena Kristiana i Madagasikara amin’ny taona 2118” aryiainantsika ato anatin’ny efa-taona ny hoe : “VONTOSY FILAZANTSARA I MADAGASIKARA, FILAZANTSARA MANOVA NY TANTARA”. Mba hahatrarana ny vinantsika araka izay notapahin’ny SL XIX, raha sitrapon’ny Tompo ka velona isika, dia:

  • Mitaona antsika Kristiana FJKM rehetra hivavaka tsy mitsahatra.
  • Mitaona antsika isam-pitandremana hanangana avy hatrany ny “Vaomieran’ny Hazakazaka Masina” syny “Vaomieran’ny Fananana” eo amin’ny SP, Fiangonana Mpanampy I sy II, Fiangonana Manampy.
  • Manentana antsika hampiditra ny “Herinandron’ny Fianakaviana” ao anatin’ny tetikandron’ny Fiangonana.
  • Mampirisika ny Faripiadidiam-pampianarana sy ny Synodamparitany rehetra hanangana Sekoly iray isan-taona ato anatin’ny telo taona (2022-2025).
  • Ho famitana ny tsangam-baton’ny faha 200 taonan’ny Sekoly protestanta FJKM, dia hiara hientana isika ka ny mpianatra rehetra amin’ny sekoly FJKM dia samy handray anjara avokoa, ny Sekoly rehetra hanolotra 30 000Ar farafahakeliny ary handray anjara avokoa ny Fiangonana rehetra.
  • Misaotra ireo Fiangonana efa nandrotsaka ny KIS sy ny 2% amin’ny tetibolany ho fanohanana ny Sekoly FJKM ary mampirisika ireo tsy mbola nahavita izany mba hanefa ny anjarany hanohizana ny ezaka satria efa tsara ny vokapanadinam-panjakana azontsika tamin’ny taona 2021.
  • Ho fiarovana ny tontolo iainana dia manainga antsika hiroso amin’ny “Fiangonana Maitso” sy “Sekoly Maitso”, ka samy hamboly hazo na hanao zaridaina miainga eo amin’ny faritry ny Fiangonana hatramin’ny volana Aprily 2022.
  • Tapaka tamin’izao fivoriana izao fa ho tanterahina any Tolagnaro ny SL XX amin’ny taona 2025.
  • Manentana ny Kristiana mba hitandro mandrakariva ny fihavanana sy ny fifanampiana eo amin’ny fiaraha-monina ka tsy ho voazarazaran’ny hevitra tsy mitovy.
  • Manentana antsika mba hanohy hivavaka hatrany sy hifanome tanana ho an’ireo havantsika tratry ny kere any atsimo sy ireo rehetra mila vonjy eo amin’ny fiaraha-monina.
  • Miantso ny Kristiana rehetra mba hiorina tsara amin’ny finoana sy hijoro ho vavolombelona eo amin’ny fitandroana ny aina ka tsy hanaiky ny fanalan-jaza amin’ny endriny rehetra sy ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy, hijoro amin’ny fahamarinana hanohitra ny kolikoly sy ny herisetra amin’ny endriny rehetra.

Mamangy sy manao veloma anareo amin’ny anaran’ny Tompo.

Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra” (1 Tes. 3. 12).

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe

Ny Filohan’ny FJKM

Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Zoma 22 Oktobra 2021

Isaia 56. 6 – 8

Tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe Isaia fahatelo ity mofonaina anio ity, izany hoe : miresaka ny fiainan’ny vahoakan’Adriamanitra efa nody avy any am-pahababoana. Misongadina eto fa :

Na iza na iza vonona hanompo an’Andriamanitra dia :

1 – Raisiny an-tanan-droa ( and 6 )

« Ny hafa firenena » hoy ny voalaza eto, izany hoe na dia tsy Jiosy aza, kanefa vonona tokoa hanompo an’Andriamanitra dia ekeny ho Azy. Tsy manilika izay rehetra manaiky Azy ho Tompo Andriamantira. Tsy mba misy voailika izay mahafeno ireto fepetra ireto : Manaiky hanompo Azy, tia ny Anarany, mitandrina ny sabata. Io toetran’Andriamanitra tsy manosi-bohon-tànana io dia mbola marina tao amin’i Jesoa Kristy fa «  Izay manatona Ahy tsy mba ho laviko mihitsy » hoy Izy. Ianao koa , na iza na iza ianao, na avy na avy aiza, maneke an’I Jesoa ho Tompo fa vonona handray anao Izay.

2 – Ovany sata ( and 7d )

« Hampifaliako ao an-tranoko fivavahana » hoy ihany no ambaran’ny Tompo eto . Andriamanitra mihitsy no mampanantena fa hitondra ho ao an-Tempoly. Na ny jentilisa aza dia hanan-jo hanao fanatitra . Ny hevitr’izany dia manjary akaiky ary manana anjara tanteraka ao amin’Andriamanitra izay resy lahatra hanompo Azy marina tokoa . hafa fa hitovy zo amin’ny mino rehetra, tsy mpanompo intsony fa sakaizany hoy i Jesoa ( Jao 15. 15 ).

Fanontaniana :

Inona àry no azo hampaherezana izay mbola mahatsiaro fa voailika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

FIFAMPI/FIFAFI/Mpandinibola

ANARANA

FIFAMPI FOIBE

  1. RAMANOHISOA Eulalie Monia , Mpitandrina
  2. ANDRIAMASINORO Fidimalala, Mpitandrina
  3. RAZAFIARISOA Juliette, Mpitandrina
  4. FLORENT,Mpitandrina
  5. RAJERIARIMANANA Maurién ,Mpitandrina
  6. RAZAFINDRAMIARANA Claire Aimée, Mpitandrina
  7. TOVONIRINA Guy Delachet, Mpitandrina
  8. RAHARIVELO Laurette, Mpitandrina
  9. RAMINOARISOA Njaramalala Suzette, Mpitandrina
  10. RANDRIALIVA Soanirina Seheno ,Mpitandrina
  11. RAMAROLAHY Patricia,  Mpitandrina

FIFAFI FOIBE

MPITANDRINA

  1. RAKOTOSON
  2. RABENAIVOSON Perier
  3. RASOLONIAINA Bebiarisoa
  4. ANDRIATSIMBAHARISON Urlich Gildas
  5. MAROZAMA Jean Dede

LAIKA

  • RAZAFINDRALAMBO Didier Alban
  • RAKOTONDRALAMBO Fanja Nirina
  • Ra-pierre
  • RAHANTAHARIMALALA Landiharinoro Lynah
  • RATSIMANDRESY Joseph Andriantiana

MPANDINIBOLA FOIBE

  • RAVELOJAONA Mamy
  • RAKOTONOMENJANAHARY Claude
  • ANDRIAMANAMPISOA Fenohery
  • RAKOTOMANGA Fandio

MPIANDRAIKITRA FOIBE – SLXIX

(2021-2025)

ANARANA

MPITANDRINA (50)

LahANARANA
   IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi  
 RADIMISAON Andriamasinjara Jonah
 ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy
 RAKOTONAVALONA Maholy
 RAZAFIARISOA Juliette
 RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa
 RASENDRAHASINA Lala Haja
 RAKOTOBE Rajaomanjato Dodaherisoa
   ANDRIAMAMPIANINA Zo Nantenaina      
 RAKOTONDRAMANANA Arijaona
 ZARAZAKA Jean Louis
 RAZAFITSALAMA Riana Lalasoa
 RANDRIAMAMPIONONA Alfred
 SIDA Zarazafy
 RAFANORENANTSOA Valisoa
 RAZARASOA Sylasy Fitahiana
 TOTOFENO Theis  ELIA
 RABENAIVOSON Perier
 ANDRIAMASINORO Fidimalala
   RAKOTOSON              
 RANDRIANARISOA Fameno Elinah
 RAZAFINDRAKOTO Hasinarivo Andriambalohery
 RAZAFINDRAMIARANA Claire Aimée
 RAKOTOVOLOLONA Elanirina Faly Vahiny
 RAZAFIMAHATRATRA Jean  William    
 RAZAFINDRAJERY Oniniaina Harifa
 RALAMBOMAHAY Hendrininosy
 RANARIJAONA Jean Jacques
 RAKOTOTIANA Fidimanana Herve Cl ément
 RAMANOHISOA Eulalie Monia
 RAZAFIMAHALEO Rowlands Peter
   RAMAMONJIARISOA Robert          
 TOVONIRINA Guy Delachet
 RASOLONIAINA Bebiarisoa
 ANDRIATSIMBAHARISON Urlich Gildas
 RADIMBINIMARO Abela
 RAFANOMEZANTSOA Jean Charles Gabriel
 Be Nantenaina Evrart Clariot
 RAMINOARISOA Njaramalala Suzette
 RAZANADRASOA Charles
 RAMIANDRISOA Harifinoana
 FLORENT
 RAHARIVELO Laurette     
 ANDRIANILANONA Rija
 MAROZAMA Jean Dede
 RAJERIARIMANANA Maurién
 RANDRIANANTENAINA Lazandrainy Martin
 RANDRIALIVA Soanirina Seheno
 RAMAROLAHY Patricia 
 RAHERIMAMONJY Selizafy Alfred

LAIKA (37)

LahANARANA
 RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri
 RANDRIANJA Voahangy
 RAZARASOA Timoty
   RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis    
 RAKOTOHERISOA Benjamin Desiré
 LAHIAVAO Voriraza
   RAMALALANIRINA Avosoa    
   RAFALIMANANA Rakotomalala Hery    
 RAKOTONDRAZAKA Volatantely    
 RAKOTOBE Olitiana Andosoa    
   RAMIARINJATOVO Marc Arison    
   RAZAFINDRALAMBO Didier Alban    
   ANDRIANOMENJANAHARY Livanirina    
   RAHANTAHARIMALALA Landiharinoro Lynah  
 RAMILISON Harifidy Janset
 ANDRIANJAFY Mirana Henintsoa
 RAZAFINDRAIBE Vivien José Aimée
 RAHARISON Elian
 RAKOTONDRALAMBO Fanja Nirina
 RAMADIMISAINA Jean Denis
 ANDRIANARIVELO René Olivier
 RATSIRAHONANA Lalaina Harilanto
 RAVAOARIMISA Vololomboahangy Razanajatovo
 RATSIFANDRIHAMANANA Hanitriniaina Tatamo
 RAZAFINDRAKOTO Juliana
 RAMALANJAONA Vero Hanitriniala
 RATSIMANDRESY Joseph Andriantiana
 RANDRIAMANANIHERY Tinarivo William
 FETY Jean Eddie
 MANANJARA Razanadrakoto
 RANDRIANIRINARIVO Charles
 RA-PIERRE
 RADIMISON Harinjaka 
 RAVOLOLONIAINA Harimalala Eleonore
 RANDRIANARIMALALA
 RAZAFINDRAVAOARINORO Virginie
 ANDRIANIRITSOA Manandratra Franchie

MPAMPIANATRA (13)

LahANARANA
 ANDRIAMIHAJAMAHALEO Josoa Ernest    
 IANONJARA
  RAKOTOARIMANANA Andriambola Herizo  
   RAHARISON Solo ny Herizo    
 RAKOTONIRINASOA Hubert
 ADAVAO Dieu Donné  
 ZAFIHASINA Norbertine
 RAHARINIRINA Lantomalala
 RAVELOZANANY Vola Harimalala
 RABESOA Jeannitou    
 RAZANADRAKOTO Fanilo Aronihery    
 RANDRIANARIDAORO Vero Hanitriniaina    
 ANDRIAR Samuel

BMF sy Mpanatanteraka

ANARANA SY ANDRAIKITRA

BIRAON’NY MPIANDRAIKITRA FOIBE

Filoha : Andriamatoa Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filoha Mpanampy Mpitandrina : Andriamatoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy

Filoha Mpanampy Laika : Andriamatoa RAZARASOA Timoty 

Mpitahiry vola : Ramatoa RANDRIANJA Voahangy

Mpanolotsaina Mpitandrina : Andriamatoa RAKOTOBE Rajaomanjato Dodaherisoa

Mpanolotsaina Laika : Andriamatoa RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri

IREO MPANATANTERAKA

Sekretera Jeneraly : Andriamatoa RAKOTONINDRAINY  Jaona, Mpitandrina

Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana : Andriamatoa ROBSON Radolalaina Johary Mpitandrina

Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly: Ramatoa RAKOTONDRANAIVO Domoina

Tonian’ny Departemantan’ny Mpiasa Sy Vola : Ramatoa ANDRY Nirina Velosoa

Alakamisy 21 Oktobra 2021

Filipiana 2. 1 – 4

Ampianarin’i Paoly ny amin’ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristiana ny Fiangonana tao Filipy eto, indrindra ny amin’izay tokony ho fiainana ao amin’ny fiangonana ka ambarany amin’izany fa tena ilaina ny :

1 – Firaisan-tsaina ( and 2 )

Asongadin’i Paoly fa tena ilain’ny fiangonana ny firaisan-tsaina. Ny hevitry ny hoe : firaisan-tsaina eto dia fahaiza-mifanaraka amin’ny zavatra atao, mahay mampandefitra ny hevitry ny hafa hisian’ny fiombonana . Taomina ihany koa isika hanana izany toetra mikatsaka ny firaisana izany mandrakariva. Ato amin’ny fiangonantsika dia misy hoe :  » hanaja sy handefitra amin’ny hevitra tapaky ny maro » . Koa tanteraho ary ny fanekena natao .

2 – Fanetren-tena ( and 3 )

Voalazan’i Paoly eto fa ny « fanetren-tena » dia midika ho tsy fiheveran-tena ho zavatra fa ny ahy ihany no heveriko fa marina, na mety sy mitombina fa ny an’ny hafa kosa dia tsy azo ekena. Io tsy fananana fanetren-tena io no fototry ny olana amin’ny fiangonana maro, samy miziriziry ho manana ny marina ka tsy vonona hifandefitra intsony hany ka voailika tanteraka i Kristy fa hevitr’olombelona no itompoana teny fantatra. Ianao kosa, alaviro izany !

3 – Fitiava-namana ( and 4 )

Asain’i Paoly « samy hihevitra ny an’ny namany » ny Fiangonana, izany hoe : hiala amin’ny fitiavan-tena . I Jesoa no tonga ao an-tsaina avy hatrany tamin’ny fanolorany ny ainy mihitsy ho famonjena antsika. Izany no fitiavana faratampony . Ianao koa, tanteraho ny baikon’i Jesoa hoe :  » « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ».

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba hananan’ny Fiangonana firaisan-tsaina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 20 Oktobra 2021

Matio 22. 1 – 14

Fanoharana no entin’i Jesoa manazava ny amin’ny fanjakan’ny lanitra eto. Raha te-hiditra amin’izany ny olona

1 – Tsy maintsy miala amin’ny avonavona

Ny fanoharana eto dia milaza ny jiosy, izay nanana tombondahiny manokana satria nofidian’Andriamanitra, i Jesoa tenany aza nisy fotoana nilaza mihitsy fa  » tsy nirahina afa- tsy amin’ny ondry very amin’Israely « Efa naniraka mpaminany maro Izy nefa tsy te -hahalala izany ny Jiosy, ary novonoiny ihany ny Tompo . Ary tsy ny jiosy ihany fa maro koa ny olona no nanana tombom-pahasoavana nahare fitoriana ny Filazantsara hatrany fa minia tsy mandray, na mahita fialana mandrakariva. Ianao kosa, dieny misy fanasana na mety ho toriteny izany na fampianarana … Irak’Andriamanitra mitory an’i Jesoa hitaona anao ho amin’ ny famonjena ireny, aza mafy hatoka sao ho nenina ho anao amin’ny fotoanandro izany ( and 7 ).

2 – Mandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy

Rehefa tsy tonga ireo nasaina dia nisokatra ho an’ny olona rehetra kosa ny famonjena Efa nasehon’i Jesoa izany tamin’ny nanasitranany ny zanakavavin’ilay vehivavy Kananita , Izany hoe : ny olona rehetra tsy ankanavaka no antsoina handova ny fanjakan’ny lanitra, saingy tsy izay rehetra nantsoina no afaka mankao fa izay « mitafy ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady » ihany, izany hoe izany manana an’i Kristy ihany, mino Azy, mandray Azy. Ianao koa , raiso i Jesoa fa Izy ihany no antoka hahazoanao mandova ny fanjakan’ny lanitra. Natao ho an’ny rehetra tokoa ny famonjena, fa tsy ny rehetra no voavonjy fa izay mino ihany. Fahaverezana no anjaran’ ny tsy mino ( and 13 ) .

Fanontaniana :

Ahoana no ahazoana antoka fa mandova ny fanjakan’ny lanitra ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Vondrompiangonana ivelany

COMMUNION MONDIALE D’EGLISES REFORMEES(CMER)

Case postale: 2 100.150 Route de Ferney

1211 Genève 2 – SUISSE

Filoha : –

Administrative Assistant: Ms. Penny Blachut

COUNCIL FOR WORLD MISSION (CWM)

400 Orchard Road, #23-05, Singapore 238875

 +65 6887 3400 – Fax : +65 6235 7760

E-mail: council@cwmission.org.uk

siteweb : http://www.cwmission.org.uk

Sekretera Jeneraly : Rev. Dr Collin Cowan

COUNCIL FOR WORLD MISSION AFRICA REGION

Joseph Wing Congregational Centre

PO Box 96014, Brixton, 2019

Johannesburg, SOUTH AFRICA

0027 11 837 9997

www.cwmafrica.org.za – info@cwmafrica.org.za

CONFERENCE DES EGLISES DE TOUTE L’AFRIQUE (CETA)

P.O Box 14205 – 00800 Nairobi, Kenya

(254-20) 4441483, 4441338/9

Fax: (254-20) 4443241, 4445835

President:
The Most Rev Archbishop Valentine MOKIWA

Sekretera Jeneraly : Rev Dr Andre KARAMAGA

COMMUNAUTE EVANGELIQUE D’ACTION APOSTOLIQUE (CEVAA)

CS 49530 – 13, Rue Louis Perrier

34961, Montpellier Cedex 2 – FRANCE

+33 (0)4 67 06 51 77 – Fax +33 (0)4 67 06 50 07

website : www.cevaa.org

Filoha : Thierry MUHLBACH

Sekretera Jeneraly : Pasteur Célestin Gbéliho KIKI

CONSEIL ŒCUMENIQUE DES EGLISES (COE)

150, Route de Ferney, 1211 Génève 2 SUISSE

+ 41 22 791 61 11

Fax: + 41 22 791 03 61

E-mail: infowcc@wcc-coe.org
Siteweb: www.wcc-coe.org

Sekretera Jeneraly : Olav Fykse Tveit

DEFAP

Service Protestant de Mission

102 Boulevard Arago – 75 014 Paris France

00 33 142 34 55 55

defap@protestants.org – defap.envoyes@gmail.com

Filoha : Pasteur Jean – Arnold DE CLERMONT

Sekretera Jeneraly : Pasteur Christian BONNET

DM-ECHANGE ET MISSION

Chemin des Cèdres 5

CH 1004 Lausanne – SUISSE

+41 21 643 73 73 – Fax : +41 21 647 36 01

Email : secretariat@dmr.ch – Siteweb : www.dmr.ch

Sekretera Jeneraly : Rev Dr Jacques KÜNG

PRESBYTERIAN CHURCH IN THE USA (PCUSA)

100 Witherspoon Street Louisville Kentucky
40202 – 1396 USA

(502) 569-5353 (888) 728-7228

www.pcusa.org/worldmission

Rev Dr Douglas Tilton :
Regional Liaison for Southern Africa

Linda Valentine,

Directrice exécutive, Presbyterian Mission Agency

Rev. Gradye Parsons,

Greffier de l’Assemblée générale

Rev. Neal D. Presa, Modérateur

QUAKER PEACE AND SERVICE (QPS)

Friends House, 173 Euston Road,

London NW1 2BJ – ANGLETERRE

+ 44 20 7663 1000 – Fax : + 44 20 7663 1001

E-mail : enquiries@quaker.org.uk – Siteweb : www.quaker.org.uk

THE PRESBYTERIAN CHURCH IN THE REPUBLIC OF KOREA

Academy House, San 76, Insu-Dong,

KangBuk – Gu / Seoul, KOREA 142 -714

+ 82 2 3499 7600 – Fax: + 82 2 3499 7630

E-mail: prok@prok.or.kr ; prok3000@chol.com

Sekretera Jeneraly : Rev. CHAN JU KIM