Alakamisy 28 Oktobra 2021
I Jaona 5. 1 – 9
Ity Epistily ity dia miresaka ny amin’ny fifamatoran’ny finoana sy ny fitiavana ary i Kristy. Misongadina eto fa ny maha- Zanak’Andriamanitra dia :
1- Ny finoana fa i Jesoa no Kristy ( Mesia )

« Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy dia naterak’Andriamanitra » hoy i Jaona eto, izany hoe : tena singa fototra ny finoana an’i Jesoa ho Kristy, io no mila tsindriana tsara satria maro ny antokom-pivavahana milaza fa mino an’i Jesoa, nefa milaza Azy ho anankiray amin’ireo mpaminany lehibe teo amin’ny tantara fotsiny (Silamo) fa tsy manaiky azy ho Mesia na Kristy izay voahosotra hamonjy izao tontolo izao ( Jodaisma). Ao koa ireo mihevitra Azy ho olombelona irakiraka fotsiny fa tsy mpamonjy ( vavolombelon’I Jehovah). Ianao kosa taomina hino fa i Jesoa no hany Mpamonjy voahosotra.
2- Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana

« Ary izay rehetra tia izay niteraka dia tia izay naterany koa« , fitiavana mifamatotra amin’ny finoana voalaza teo ny fitiavana voaresaka eto. Izany hoe : izay mino an’i Jesoa no manam-pitiavana an’Andriamanitra ary manam-pitiavana ny namana ihany koa. Noho izany izay milaza fa mino nefa mankahala dia mpandainga , ary izay milaza fa tia nefa tsy mino dia fitiavana mitady tombotsoa ihany izany.
3- Ny fandresena izao tontolo izao
Ny hoe : « maharesy izao tontolo izao » dia hoe : tsy voafatotry ny nofo na andevozin’ny fahotana intsony, satria olom-baovao ary manana ny fiainana mandrakizay ao aminy sahady, tsy miraika na mirona amin’ny rendrarendra.
Fanontaniana :
Aiza ho aiza izao ny toerana misy anao raha ireo mari-drefy ireo no jerena ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM