Alatsinainy 25 Oktobra 2021

2 Korintianina 8. 16 – 24

« Fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ny Tompo ihany, fa eny imason’ny olona koa » ( and 21)

Ny mpanompon’Andriamanitra dia manao izay mahamendrika

1 – Eo imason’ny Tompo

Ny hevitry ny hoe « manao izay mahamendrika » dia hoe : manao zavatra tsara sy izay araka ny sitrapon’Andriamanitra, raha hitarina dia hoe : manao ny asan’Andriamanitra amin’ny fieritreretana madio. Ny Tompo rahateo tsy azo anafenana fa mahalala ny miafina rehetra, « mandinika ny voa sy ny fo » ( Apok 2. 23 ) . Taomina araka izany isika mba tsy hanadino fa mibaribary amin’ny Tompo avokoa ny zavatra ataontsika rehetra, koa aoka ho marina eo anatrehan’I Jesoa isika na amin’ny fieritreretrana na amin’ny fisainana na amin’ny atao , i Jesoa rahateo manamafy fa « tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho » ( Lio 8. 17 ).

2 – Ary eo imason’ny olona

Eo anoloan’ny famoriam-bola natao hanampiana ny Kristiana sahirana tany Jerosalema, dia mitandrina fatratra i Paoly eto mba tsy hahazo tsiny , izany hoe : marina amin’ny olona rehetra ny asany mba tsy hisy hiampanga azy ho mpanambaka na mpila tombontsoa manokana ho an’ny tenany. Mitandro fatratra ny Voninahitr’Andriamanitra izy mba tsy ho avy aminy no hitenenan-dratsy ny Anaran’Andriamanitra. Ianao koa , tandremo mba tsy hisy azon’ny olona hiampangana anao, indrindra ny amin’ny resa-bola, izay mahalavo ny maro ankehitriny.

Fanontaniana :

Araka ny hevitrao , inona no tokony hatao hahamendrika eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10