Alarobia 20 Oktobra 2021
Matio 22. 1 – 14
Fanoharana no entin’i Jesoa manazava ny amin’ny fanjakan’ny lanitra eto. Raha te-hiditra amin’izany ny olona
1 – Tsy maintsy miala amin’ny avonavona

Ny fanoharana eto dia milaza ny jiosy, izay nanana tombondahiny manokana satria nofidian’Andriamanitra, i Jesoa tenany aza nisy fotoana nilaza mihitsy fa » tsy nirahina afa- tsy amin’ny ondry very amin’Israely « Efa naniraka mpaminany maro Izy nefa tsy te -hahalala izany ny Jiosy, ary novonoiny ihany ny Tompo . Ary tsy ny jiosy ihany fa maro koa ny olona no nanana tombom-pahasoavana nahare fitoriana ny Filazantsara hatrany fa minia tsy mandray, na mahita fialana mandrakariva. Ianao kosa, dieny misy fanasana na mety ho toriteny izany na fampianarana … Irak’Andriamanitra mitory an’i Jesoa hitaona anao ho amin’ ny famonjena ireny, aza mafy hatoka sao ho nenina ho anao amin’ny fotoanandro izany ( and 7 ).
2 – Mandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy

Rehefa tsy tonga ireo nasaina dia nisokatra ho an’ny olona rehetra kosa ny famonjena Efa nasehon’i Jesoa izany tamin’ny nanasitranany ny zanakavavin’ilay vehivavy Kananita , Izany hoe : ny olona rehetra tsy ankanavaka no antsoina handova ny fanjakan’ny lanitra, saingy tsy izay rehetra nantsoina no afaka mankao fa izay « mitafy ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady » ihany, izany hoe izany manana an’i Kristy ihany, mino Azy, mandray Azy. Ianao koa , raiso i Jesoa fa Izy ihany no antoka hahazoanao mandova ny fanjakan’ny lanitra. Natao ho an’ny rehetra tokoa ny famonjena, fa tsy ny rehetra no voavonjy fa izay mino ihany. Fahaverezana no anjaran’ ny tsy mino ( and 13 ) .
Fanontaniana :
Ahoana no ahazoana antoka fa mandova ny fanjakan’ny lanitra ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM