Alatsinainy 18 Oktobra 2021
1 TESALONIANA 5.12-18

Mananatra ny kristiana i Paoly eto raha mamarana ity Epistily ity mba :
1-Ho tsara fihavanana amin’ny mpitondra (and13)
Amporisihan’i Paoly ny kristiana eto mba hahay hanaja ny mpanompon’Andriamanitra , izay napetraka hitarika ny fiangonana . Hoy indrindra izy hoe : « Mihavana tsara » . Raha tsorina dia ampianarin’i Paoly eto fa tsy fanao ary tsy tokony ho hita akory ao amin’ny fiangonana ny kristiana miady amin’ny Mpitandrina na sanatria maniratsira azy ireny , raha misy izay tokony hifanitsiana dia am-pitiavana sy fanajana no hifampiresahana .
2-Ho tsara fihavanana amin’ny rehetra (and14,15)
Mihasikasina eto mihitsy ny fihavanana ka hananaran’i Paoly ny mpino mba tsy ho mpitazam-potsiny ny namany mivily làlana fa hanitsy tsy misorona , hampahery izay kivy kanefa izany rehetra izany dia atao mandrakariva ao anatin’ny fihavanana fa tsy sanatria ho loharanom-pandrafiana . Fanehoam-pitiava-namana rahateo izany dia araka izay nolazain’i Jesoa hoe : »Tiava ny namanao » , fa ny olona rehetra no voalaza eto, izany hoe : tsy ny namana ihany fa na izay fahavalo koa aza , dia hoy i Jesoa hoe : « Tiava ny fahavalonareo » (Lio 6.35) .
3-Ho tsara fihavanana amin’Andriamanitra (and16-18)
Ambaran’i Paoly eto fa ny sitrapon’Andriamanitra dia ny fahaizana mankasitraka Azy « amin’ny zavatra rehetra » , izany hoe : na dia làlan-tsarotra aza indraindray no hitondran’Andriamanitra dia mifaly , mivavaka ary misaotra Azy hatrany no andrasana amin’ny mino fa tsy ny fanomezan-tsiny sanatria . Modely ho antsika amin’izany i Jesoa (Mat 26.42) .
Fanontaniana :
Ny aiza amin’ireo voalaza ireo no anananao olana ? Inona àry no heverinao ho vaha-olana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM