Alahady 17 Oktobra 2021
Apokalipsy 5. 6 – 10
Mampianatra antsika bebe kokoa ny amin’ i Jesoa Kristy, izay antsoina hoe « Zanak’ondry » eto izao fahitan’i Jaona izao .

Ireto avy no azo tarafina eto :
1- Ny toerana misy an’i Jesoa ( and. 6)
« teo afovoan’ny Loholona » . Miray seza fiandrianana amin’Andriamanitra Ray i Jesoa, kanefa koa akaikin’ ny loholona sy ny Fiangonana Izy. Tena mpanalalana Izy satria akaiky an’Andriamanitra nefa tsy lavitra ny olona. Azontsika antoka fa mahalala sy mahatsapa izay manjo antsika Izy ka azontsika iantorahana amim-pahatokiana tanteraka. Koa aza misalasala ary mino Azy sy mitoky Aminy tanteraka .
2- Ny endrika anehoana an’i Jesoa (and. 8)

« Zanak’ondry« . Mialohan’ ny hiantsoana Azy hoe : « Liona » dia aseho hoe : »zanak’ondry » Izy , entina maneho ny nanekeny hatao fanatitra ho famonjena izao tontolo izao, ary izany no nahazoany fandresena, nampivarahontsana an’i Satana. Fitiavana i Jesoa araka izany sady mpandresy na ady manao ahoana na toy inona atrehinao . Ento eo Aminy fa Mpamonjy mahery Izy, vonon-kiady ho anao, ary ny teniny rahateo ny hoe : » Mankanesa aty amiko … » ( Mat. 11. 28)
3- Ny hetsika ataon’i Jesoa (and 7)

« Nandray ny boky... ».
Mazava ny filazan’i Jaona azy eto fa tsy mba mpanao an-keriny na mpandroba i Jesoa, na koa mpisandoka fa nandray ny boky Izy satria « Izy no mendrika » (and. 9) ; ary rariny raha homem-boninahitra sy asandratra Izy noho ny fanetren-tena sy ny fiaretany. Araka izany Azy ny voninahitra .
Fanontaniana :
Inona no mampiahotra ny olona tsy hino marina an’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM