Vaovao farany
Fifidianana ireo Mpanatanteraka
Vita androany maraina ny fankatoavana ireo Tonian’ny Departemanta telo eo anivon’ny FJKM
izay hiara-hiasa amin’ny
Sekretera Jeneraly : Andriamatoa Rakotonindrainy Jaona Mpitandrina.
Ireto avy ary ireo tonian’ny Departemanta ireo :
Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana : Andriamatoa ROBSON Rado Lalaina Johary, Mpitandrina
Tonian’ny Departemantan’ny Mpiasa sy vola : Ramatoa Andry Nirina Velosoa
Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly : Ramatoa Rakotondranaivo Domoina
Tsara ny mampahatsiahy fa ireo tompon’Andraikitra ireo dia apetraka amin’ny fombam-piangonana miaraka amin’ireo tompon’andraikitra voafidy tany Sambava nandritra ny Synoda Lehibe faha-19, ny Alahady 17 Oktobra 2021 ho avy izao, mandritra ny fanompoam-pivavahana eny amin’ny Coliséum.

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra