Toriteny sy Sakramenta
Fandalinam-pinoana
TORITENY SY SAKRAMENTA
Zavatra roa ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny Toriteny sy ny Sakramenta. Fa tsy mitovy ny laharana omen’ny isam-piangonana azy, araka ny teolojiany. Ny fahafantarana tsara izany, dia mampitombo ny fiorenantsika amin’ny foto-pinoana sy fampianaran’ny Fiangonana misy antsika.
1. AMBONY LAHARANA NY SAKRAMENTA
Ny Fiangonana Katolika no manana ity fijery ity. Ho azy, dia mitana ny toerana lehibe sy voalohany ny Sakramenta. Ny Sakramenta no mamelona ny Finoana sy manondrotra azy ho an’ny amin’ny faratampony.
Ilaina ny Toriteny amin’ny fanompoam-pivavahana, hoy ny Fiangonana Katolika, fa tsy mitana ny toerana voalohany. Manaraka aorian’ny Sakramenta ny Toriteny, azo tsy asiana. Mpanompon’ny Sakramenta ny Toriteny, miankina aminy, baikoiny. Ho an’ny trano fiangonana katolika sasany izay ahitana azy, dia eny ivelan’ny Otely misy ny Latabatra Masina ny Fitorianteny. Ny Katedraly Andohalo dia manana izany, izay toy ny Polipitra protestanta ireny. Raha tsy manana kosa ilay trano fiangonana katolika, dia eo amin’ny Otely ka eny amin’ny sisiny no misy io Fitorianteny io.
2. MITOVY LAHARANA IZY ROA
Ny Fiangonana Loterana no manana ity fijery ity. Samy zava-dehibe aminy ny Toriteny sy ny Sakramenta: mitovy lanja, mitovy asa. Tsy misy ambonian’ny Loterana manokana ireo zavatra roa ireo.
Avy amin’ny Tenin’Andriamanitra no ivoahan’ny Toriteny sy ny Sakramenta. Loharano iray ihany, fototra iray ihany, ary atobaka ho an’ny Fiangonana. Araka an’i Lotera, ny Fanasan’ny Tompo dia Teny hita maso, Toriteny azo tsapain-tanana. Amafisin’i Melanchthon izany : “ny Finoana dia mifoha avy amin’ny Teny sy ny Sakramenta”. Ny Fitorianteny ho an’ny Fiangonana Loterana dia miray toerana amin’ny Latabatra Masina, mifanaraka amin’io fijery mampitovy laharana azy roa io.
3. AMBONY LAHARANA NY TORITENY
Ny Fiangonana reforme, toy ny FJKM, no manana ity fijery ity. Ny Toriteny no iasan’Andriamanitra voalohany ao amin’ny olona, vao manaraka ny Sakramenta. Tsy azo atao ny Fanasan’ny Tompo, raha tsy misy Toriteny mialoha azy. Izany koa no ametrahany nyBatisa aorian’ny Toriteny.
Ny “Confession de la Rochelle” (1559-1570), ahitana ny foto-pampianarana reforme, dia milaza fa « nomen’Andriamanitra ny Fanasan’ny Tompo ho fanampin’ny Toriteny ». ny « Consensus Tigurinus” (1549) dia milaza ny Fanasan’ny Tompo ho miankina sy fanampin’ny Toriteny, ary ambany ny laharany amin’izany.
Ho an’ny Fiangonana refome, dia eo afovoan’ny Alitara no misy ny Polipitra, noho izy fototry ny fanompoam-pivavahana ataony. Ary mivohitra sy avo toerana mihasinkasina izany, mihoatra noho ny Latabatra Masina eo ambaniny eo.
4. AVELA NY SAKRAMENTA
Taty amin’ny taonjato faha 18 dia nampianatra izany ny Frenjy. Nampianariny fa, manome vahana ny fivavahana manaraka sy manaja fomba fotsiny ny Fiangonana amin’ireny Sakramenta ireny. Tsy hita akory izay finoana sy fahamasinam-piainana entiny ho an’ny Fiangonana. Najanon’ny Frenjy tanteraka ny Sakramenta, fa nataony hoe “mandray am-panahy”, tsy misy mihinana sy misotro.
Teo koa ny “Armée du salut” tamin’ny taonjato faha 19. Nantsoina hoe salutiste izy ireto. Mitovitovy ihany tamin’ny fijerin’ny Frenjy ny azy ireto. Saingy tsy azo itokiana ny Sakramenta, hoy izy ireto, fa tsy hoe avela tanteraka akory.
Ny toeran’ny Toriteny no mivohitra tsara ao am-piangonana, ho azy roa ireto. Tsy manana anjara toerana ao amin’ny fanompoam-pivavahana ny Sakramenta.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra .
P. A. Zaka