Talata 12 Oktobra 2021

ISAIA 55.1-3

Andriamanitra mampanantena fahafahana

1- Manome ny fahasoavany

« …Eny, avia mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola , na amin-karena. » (and. 1)

Fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny Jiosy babo tany Babylona ny hiverenan’izy ireo amin’ny taniny indray. Antsoina ny mangetaheta hisotro, ny tsy manam-bola hividy, hihinana sy hisotro maimaimpoana. Vidiana ilay sakafo miantoka ny fahavelomana fa tsy ilay mihinana sy misotro akory no miantoka an’izany fa omen’Adriamanitra maimaimpoana. Fahasoavana izany. Rehefa manaiky hanantona an’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, ilay nandatsaka ny Rany nividianany ny mpanota isika, dia hisitraka ireo fahasoavana samihafa avy amin’izany.

2- Mitaona ny olona hitandrina ny teniny

« Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo. » (and. 2)

Lazaina ho mandany vola sy fisasarana amin’izay tsy mahavoky ny olona izay miezaka mitady fiadanana ivelan’ny fihainoana sy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra. Ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra no sakafo tsara indrindra satria « hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay » (Jao. 6. 27). Ary izany no sakafo omen’i Jesoa Kristy izay rehetra mino Azy, dia ny tenany sy ny rany izay tsy hafa akory fa Tenin’Andriamanitra aseho amin’ny fomba hita maso.

Fanontaniana :

Inona no hanehoanao ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10