Jean CALVIN .

Iza moa i Jean CALVIN (1509 – 1564)

Nentin’i Martin Lotera (1483 – 1546) teo anelanelan’ny taona 1517 sy 1520 ny fanombohan’ny Refôrmasiôna Prôtestanta. Notohizan’I Uldrych Zwingli (1484 – 1531) sy Guillaume Farel (1489 – 1565) izany nony avy eo. Nohavaozin’I Jean Calvin (1509 – 1564) ny hevitr’I Lotera sy Zwingli, izay zokiny 25 taona. Isika Reformés dia antsoina koa hoe “Kalvinista” ka ndao zahana ny fiainan’I Calvin izay hita soritra ao amin’ny savaranonandon’ny boky nosoratany amin’ny teny latina tamin’ny taona 1557 (Ny bokin’ny Salamo). Izy tenany ihany no nanoratra izany savaranonando izany ary nozarainy efatra ny dingampiainany teo amin’ny fiantsoana azy.

 DINGANA VOALOHANY: NY FIANDOHANA (1509 – 1534)

Tamin’ny taona 1509 no teraka tao Noyon, any Picardie (Frantsa) I Jean Calvin. “Mbola ankizy kely aho, hoy izy, dia efa noeritreretin-draiko hankany amin’ny teôlôjia”, izany hoe hanao pretra. Nahazo vatsimpiofanana tamin’izany izy ka dia roso nianatra tao Paris teo anelanelan’ny taona 1523 sy 1528. Azony tamin’izany ny diplôman’ny maître ès arts. Niova hevitra indray anefa rainy rehefa nahita fa ny fianarana didy aman-dalàna no mampanan-karena rehefa miasa ka dia nafindrany tany Orléans sy Bourges indray ny zanany Jean Calvin mba hianatra didy aman-dalàna (1528 – 1531). Nankato an-drainy izy dia niova fianarana. Tao Bourges izy no nianatra ny teny grika. Hafa anefa ny fiheveran’ny Tompo ka dia lasa nankany Paris izy. Noraisin’I Calvin ho toy ny antso nanjo an’I Paoly ny tsindry nanosika azy ho any Paris. Nifampikasokasoka tamin’ireo mpampianatra tao amin’ny Collège des lecteurs royaux tao Paris izy izay nampianatra azy ny teny nanoratana ny Baiboly dia ny hebreo sy arameanina ary ny grika. Tao koa izy no nandalina ny Soratra Masina sy niaina ny foto-kevitra “evanzelika” (hevitry ny Refôrmasiôna) izay neken’ny mpanjaka François I fa nenjehan’ny Fakiolten’ny Teôlôjia tao Paris sy ny Antenimiera. Rehefa nihamafy ny fanenjehana, dia nandao an’I Paris I Jean Calvin (1533) ka nivezivezy tamina tanàna maro: Angoulême, Nérac, Noyon, Paris ary Orléans. Lasa nanenjika ny “herezia loterianina” ny mpanjaka François I rehefa nipoaka ny raharahan’ny Peta-drindrina (Affaire des Placards, 1534) manohitra ny lamesa. Natahotra ny ho voasambotra I Calvin ka lasa nitsoaka nankany Alemainina.

DINGANA FAHAROA: NY LOSITRA (1535 – 1541)

Nandritra ity dingana ity I Calvin dia niezaka ny handositra ny fiantsoan’ Andriamanitra: inefatra izy no nanapa-kevitra ny “hiafina sy hiery”. Tao Bâle (Soisa) izy tamin’ny taona 1535, fotoana nirehetan’ny fanenjehana tao Frantsa. Nisy hery nanosika azy hiaro ny prôtestanta frantsay ka dia namoaka boky izy ny taona manaraka (1536) hitondrana ny “mazava” sy hiarovana azy ireo (boky Institution de la religion chrétienne). Tsy nampitondrany ny anarany anefa ny fanoratana io boky io izay nataony tamin’ny teny latina. Ny volana septambran’io taona io ihany (1536) dia tany Zeneva izy ary hitan’I Guillaume Farel izay niangavy azy hifanampy aminy hampandroso ny Filazantsara. Tendrin’Andriamanitra no nandraisan’I Calvin izany ka dia nanaiky izy ka lasa mpitoriteny sy mpitandrina ny Fiangonana tao Zeneva. Vetivety anefa dia tonga ny fifanolanana tamin’ny Mpitarika Fiangonana tao Zeneva ary naharitra roa taona izany (1537 – 1538). Niafara tamin’ny fandroahana izany ka dia nandao an’I Zeneva izy kanefa tonga ny fiantsoana ho any Strasbourg, avy tamin’I Martin Bucer, mitovy andraikitra amin’I Guillaume Farel. Nampitovian’I Calvin tamin’ny nanjo an’I Jonà lanin’ny trozona sy naloany hahafahany mandeha mitory any Ninive ny trangam-piainana nanjo azy ka dia nanaiky an’I Martin Bucer izy ka lasa mpitandrina ny Fiangonana tao Strasbourg sy mpampianatra hevi-teny tao amin’ny Sekoly Ambony tao izy (1538 – 1541). Tamin’io fipetrahana tao Strasbourg io I Calvin no nampiaka-bady. Niova anefa ny mpitondra ny Fiangonana tao Zeneva tamin’ny taona 1540 ary dia niantso azy handamina ny Fiangonana ny namany tao Zeneva. Noraisin’I Calvin ho toy ny adidy efaina sy fiantsoan’ny Tompo izany antson’I Zeneva izany ka dia nandao an’I Strasbourg izy ary lasa nonina tao Zeneva (1541). Tapitra teo ny lositra niainany.

DINGANA FAHATELO: NY FIJALIANA (1541 – 1555)

15 taona no nipetrahan’I Calvin faharoa tao Zeneva ary nangidy taminy izany taona maro izany vokatry ny fahamaroan’ny fahavalony tao anivon’ny Fiangonana, izay tsy tan-dalàna. Mampitovy sy mampitaha ny fiainany amin’ny fiainan’I Davida “feno fahavalo manodidina” I Calvin eto. Vao tafapetraka ho mpitandrina ny Fiangonana tao Zeneva izy dia namoaka fitsipika hitsivolana (ordonnances) momba ny lamina sy ny rindra tokony hajaina ao amin’ny Fiangonana ary nampanaiky izany ny mpitondra fiangonana. Ny taona manaraka (1542), dia namoaka boky katesisma sy litorjia ho an’ny Fiangonana ao Zeneva izy. Misy foana anefa ny tsy mpanaja ny lamina sy lalàna napetraka ka dia voatery misiki-ponitra mafy izy hampandeha tsara ny Fiangonana amin’ny tokony ho izy. Nipoitra tsy tapaka ny olana sy fifandonana tamin’ny mpitondra fiangonana (1547 – 1555). Nisy koa ny fifandonana/fifanolanana momba ny foto-pinoana, ohatra mikasika ny prédestination (ady tamin’I Jérôme Bolsec, 1551), mikasika ny Trinite (ady tamin’I Michel Servet, 1553), teo koa ny adiny tamin’ny mpitandrina loterana Westphal ao Hambourg (1555)…

DINGANA FAHEFATRA SADY FARANY: NY FANKATOAVANA (1555 – 1564)

Nanomboka ny taona 1555 dia nihamaro ny mpiavy frantsay tonga nitoetra tao Zeneva ary nihamatotra ihany koa ireo tanora notezaina tamin’ny boky Katesisma ka nahazo namana I Calvin tao anivon’ny Fiangonana sy ny tanàna ary lasa maro an’isa ry zareo ka nankato an’I Calvin ny Fiangonana sy ireo mpanohitra azy taloha. Afaka niantehitra tamin’ny mpitondra fanjakana koa izy izay nanaraka ny toro-heviny ka lasa “tanàna masina” I Zeneva. Nanaiky sy nankato an’I Calvin koa ny Fiangonana reforme tao Frantsa izay novatsiana mpitandrina, sy boky ary toro-hevitra maro sy môdely momba ny finoana sy fijoroana vavolombelona amin’ny maha-kristianina… Nodimandry am-piadanana I Calvin ny taona 1564.

nangonin-dRAFOLO A.

Perikopa 2024/2025

Desambra: MANETRY TENA NY MPINO

| | 22. Advento IV
Genesisy 3. 9–15 | Lioka 9. 46–50 | Romana 16. 17–20

| | 25. KRISMASY
Mika 5. 1–5 | Matio 1. 18–25 | Filipiana 2. 1–11

| | 29. Ala. man Krismasy - Fiantsoana - SeFaLa
Salamo 2. 7–12 | Matio 23. 1–12 | Hebreo 1. 5–14

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 01. TAOM-BAOVAO
Deo. 11. 8-12 ; Mar. 1. 9-13 ; 1 Jao. 2. 20-23