Alatsinainy, faha 21 Aprily 2025
(Sal 23 / Hira 473,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira:141)
Fitomaniana 3.16-21
Miovaova izao rehetra izao
1- Misy ny faharesena izay mandala.
Ny fahitantsika matetika dia ny maha Mpiandry tsara ny Tompo, tahaka izay hita any amin’ny Salamo faha 23. Eto kosa dia ahitana fitarainana sy alahelo noho ireo fisedrana samihafa mihatra amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Maneho amintsika izany fa lalarm-piainana tsy maintsy andalovantsika ny lalan-tsarotra amin’ny fotoana sasany. Tahaka ny tsy maintsy hiatrehan’i Jesoa ny tao Gologota no tsy maintsy hiatrehantsika ireo fisedrana samihafa. Eto izao dia misy ny fitarainana fa mihatra aman-koditra mihitsy ny sedra: fanorotoroana ny nify, fiatrehana lavenona, fandroahana, tsy fahitana fiadanana, tsy fisian’ny fanantenana. Efa nampiomana antsika ny Tompo fa « any am-parany any dia hisy andro mahory » (2Tim3, 1). Soa ihany anefa fa tsy mijanona eo ny tantara fa mbola mitohy. Mbola mivoatra.
2- Misy ny fanantenana mafy orina
« Izany no hoeritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho » (and21): Tsy hanomezana tsiny ny Tompo velively ny fahasarotana mandalo. Ireny aza no toy ny zezika tena mampiroborobo ny finoana. Azo atao tsara ny mahita ny fahatsaran’ny Tompo eo anatrehan’ireny toe-javatra ireny. Ny fananana fanantenana mafy orina dia fomba iray hanehoana ny fahatsaran’ny Tompo. Voasoratra hoe: « Tsara Jehovah amin’izay manantena Azy, dia amin’ny olona izay mitady Azy »(and 25). Jesoa no fanantenantsika. Mitarika antsika ho any amin’ny fianana vaovao sy tsara lavitra Izy.
Fanontaniana
Nahoana no misy mpino tena sarotra ampaherezina?
Sampana Sekoly Alahady Foibe