Sabotsy, faha 19 Aprily 2025
(Sal 61,1-5 / Hira:115 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira:111)
2Korintiana 1, 3-7
« Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fampiononana anay kosa amin’ny alalan’i Kristy » (and 5):
Ny mpino miatrika fotoan-tsarotra
1- Miombona amin’ny fijalin’i Kristy
Raisin’i Paoly ho fifaliana ary isaorany ny Tompo ireo fahoriana samihafa nolalovany. Faniriana lalina ao amin’i Paoly ny handray anjara amin’ny fijalian’i Jesoa. Harena ho azy ny mahafantatra na dia ny ampahany monja aza amin’izay niainan’i Jesoa. Izany fiombonana amin’ny fahorian’i Jesoa izany dia manampy ny mpino hiatrika am-pahatoniana ireo zava-tsarotra samihafa. Afaka mandresy ny fitaka ataon’ilay ratsy ny mpino, toy izay nandresen’i Jesoa tany an’efitra efapolo andro sy efapolo alina. Tsaroan’ny mpino fa na dia eo aza ireo sedra maro samihafa dia tsy ampahafirin’izay nandalovan’i Jesoa akory izany. Miaritra fahoriana isika sady miombona fahoriana Aminy.
2- Mionona ao amin’i Kristy sady mampionona ny hafa
« Ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany… » (and6): Ny fampiononana dia fampaherezana avy amin’ny fahatakarana ny sitrapon’Andriamanitra. Misy ny alahelo sy ny fahakiviana mandalo rehefa mihatra ny fahoriana. Rehefa mahatsiaro ny Tenin’ny Tompo sy ireo toky nomeny ary ny fandresena miezinezina azony mbamin’ny fampanantenana nomeny anefa isika, dia mahay misaotra amin’ny zavatra rehetra, ary afaka hampionona ny hafa ihany koa. Jesoa Mpandresy no momba antsika mandrakariva. Matokia Azy, ary mahereza.
Fanontaniana
Inona no adidintsika manoloana ireo olona kivy sy ketraka?
Sampana Sekoly Alahady Foibe