Alakamisy, faha 17 Aprily 2025

(Sal 83,1-3 / Hira: 88 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira: 107)

« Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto » (and 50): Na dia samy hafa aza ny fihetsika aschon’i Jodasy sy izay tena anton-diany dia fantatr’i Jesoa tsara izany. Fantany ny mpandainga sy ny mpihatsaravelatsihy. Fantany ny tena namana sy ny mpamadika. Aiza amin’ireo no misy anao?

« Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao » (and 52): Tsy vahaolana na oviana na oviana ny herisetra. Tsy olona no fahavalontsika fa ny devoly sy ny miaramilany. Ny anjarantsika dia ny mijoro ho vavolombelona, mitory fiadanana, mitory fihavanana na dia amin’izay mpanenjika sy mpankahala antsika aza. Mpitory fiadanana isika.

Maro ireo toe-javatra sarotra niainan’i Jesoa: ny fisian’ny mpianatra namadika, ireo mpisambotra sy izay mbola hitranga amin’ny lalan’ny hazo fijaliana. Neken’i Jesoa izany satria efa Voasoratra ho fanatanterahana ny famonjena antsika. Sady manaiky tsy misy fepetra izay voasoratra i Jesoa no mampahatsiaro antsika izay efa voalazan’ny mpaminany. Nekeny am-pitiavana ny hazo fijaliany.

« Ary tamin’izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra » (and.56): Fantatra fa na ry Petera izay nilokaloka tsy handao an’i Jesoa mihitsy aza dia tsy vitan’ny hoe niala lavidavitra, fa tena nilaza fa tsy mahalala an’i Jesoa mihitsy. Aza kivy na toa irery aza, Jesoa eo hatrany.

Inona no hatao manoloana ireo zava-tsarotra samihafa?

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 20. PASKA
Daniela 6. 26-29 | Matio 28. 1-17 | Apokalipsy 2. 8-11

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10