Talata, faha 15 Aprily 2025

(Sal 56.10-13 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 29.1,2)

Nisy fanontaniana tena nanahirana ny sain’ny Tesaloniana ity: Ny Kristiana izay maty amin’izao fotoana izao ve tsy mba hanana anjara amin’ny fihavian’i Jesoa Kristy na ny fiainana ho entiny ho an’izay mino Azy amin’izay fotoana izay? Ny fisian’ny olona maty teo amin’ny Fiangonana voalohany mantsy dia nampikorontana ny sain’izy ireo. Koa mba hampitonian’i Paoly ny ahiahy sy ny eritreritra tsy mandry ao amin’ireo mpino ireo dia : Nampiasa ny teny hoe nodimandry Izy.

Hoy i Paoly hoe: « Tsy tianay tsy ho fantatrareo ny amin’ireo izay efa nodimandry ». Ny dikan-teny hafa ilazana io teny io dia hoe: « maty ». Nahoana kosa anefa no nodimandry no teny nampiasaina eto? Satria misy hevitra ao ambadik’izany manao hoe ny olona mandry, na dia sarin’ny maty aza izany dia mbola hifoha ary ny mifoha dia ilazana indray ny mitsangana amin’ny maty. Efa maty i Jesoa nefa nitsangana tamin’ny maty.

I Jesoa no efa nisantatra izany tamin’ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty, ka entina hampaherezana ny mpino koa izany. Izay mino Azy, na dia maty aza dia hitsangana amin’ny maty koa, tahaka Azy.

Mampahery ny Kristiana araka izany i Paoly mba tsy ho very fanantenana tahaka ny sasany izay tsy mba manana izany mihitsy izy ireo, ka mihevitra fa rehefa maty dia vita koa ny tantara sy ny fiainan’ny olona. Tsia, takiana araka izany ny hiorenana hatrany amin’ny finoana an’Andriamanitra, Ilay mahay manangana ny maty tahaka ny nananganana an’i Jesoa Kristy.

Inona no hevitry ny hoe nodimandry aminao?

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 20. PASKA
Daniela 6. 26-29 | Matio 28. 1-17 | Apokalipsy 2. 8-11

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina