Alahady, 23 Martsa 2025
Sal 103. 1-5 / Hira 409:1, 3 / Mofonaina / Vavaka
2 Tantara 30. 1-9
1 [Ny nitandreman'i Hezekia sy ny vahoaka ny Paska] Ary Hezekia naniraka tany amin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin'ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon'i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
2 Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin'ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin'ny hitandremana ny Paska amin'ny volana faharoa.
3 Nefa tsy nahatandrina azy tamin'izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema.
4 Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany.
5 Dia nandidy handefa teny eran'ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan'ny olona hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra.
6 Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin'ny mpanjaka hoe: Ry zanak'isiraely ô, miverena amin'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin'izay sisa aminareo izay tsy azon'ny tànan'ireo mpanjakan'i Asyria.
7 Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy.
8 Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon'ny razanareo, fa atolory an'i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin'ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
9 Fa raha miverina amin'i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan'izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin'ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
- Miverena amin’i Jehovah
Ny fialana amin’ny lalam-pahotana hiverina amin’Andriamanitra dia fepetra takiana amin’ny antsom-pibebahana atao amin’ny Zanak’ Isiraely. Izao no voasoratra « Ry zanak’ Isiraely ô, miverena amin’i Jehovah Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Isiraely (and-6a). Ampiasaina in-5 amin’ny endrika samihafa ny teny hoe: « miverena » eo amin’ny andininy 6-9, izay manambara fa tao anatin’ny fihemorana, ary nifikitra tamin’ny fomban’izao tontolo izao fa tsy tamin’ny lalan’Andriamanitra ny Isiraely. Antsoina hibebaka izy ireo satria niala tamin’ny fitiavana voalohany. Isika koa antsoina hiverina ao amin’ny Tompo, aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao.
- Atolory an’i Jehovah ny tenanao
Fahamarinana efatra no ambaran’i Hezekia mahakasika ny tena fibebahana marina dia ireto avy:
- Mamerina tanteraka ny fony amin’ Andriamanitra
- Miverina amin’ny fanapahan-kevitra marina, hankato ny didiny
- Miverina amin’ny fenetren-tena miaraka amin’ny fanekena hivavaka sy hanompo Azy.
- Miverina amin’ny fitalahoana.
Endrika ho fanavaozam-panoloran-tena amin’Andriamanitra tokoa ireo, ary tokony hataon’izay mibebaka marina tokoa. Miantso antsika ary ny Tompo, tsy ny Isiraely ihany, fa ho ahy sy ho anao izao antso izao. Miverena e! atolory ny tenanao, aza misalasala, vonona mandray izay mibebaka marina ny Tompontsika, mirosoa havako, ataovy marina ny fibebahanao.
Fanontaniana:
Efa mba nanolo-tena ho an’ny Tompo ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe