Zoma 21 Martsa 2025

Sal 85. 1-4/ Hira 365: 1/ Mofonaina/ Vavaka

Miantso ho amin’ny fibebahana ny Tompo

  1. Efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra

Hanambara sy hanatanteraka ny fanjakan’Andriamanitra no nahatongavan’i Kristy teto an-tany (Mat 4. 17). Eto amin’ity mofonaina anio ity no ilazana ny fanombohan’i Jesoa Kristy toriteny tao Galilia, ka nilazany ny vanim-potoana fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra, ary ny nahatongavan’i Jesoa indrindra no maha antomotra io fanjakana io. Antsom-pamonjena ataon’Andriamanitra ho an’ny zanak’olombelona rehetra izao hafatra izay entin’i Jesoa izao, ka miantefa amintsika mpihaino koa ankehitriny. Antomotra ny andro, andeha hibebaka, fa mbola misy ny fotoana, aza mangataka andro

  1. Tsy maintsy mibebaka sy mino

Izao no voasoratra: mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara (and.15b).

Nambarany fa izay maniry hanana anjara ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy maintsy mibebaka sy mino ny vaovao mahafaly izay naely (1.15). Mifampitohy araka izany ny hafatra izay nentin’i Jaona sy ity vaovao mahafaly nambaran’i Jesoa ity, satira tsy misy afaka misafidy hanaraka ny vaovao mahafalin’i Jesoa raha tsy eo ny fibebahana sy ny finoana.

Ry Havana, tsarovy ary fa manana anjara toerana lehibe co amin’izay te handray anjara amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ny fibebahana sy ny finoana, koa herezo hatrany, aza ketraka

Fanontaniana:

Moa mba efa niomana handray ny vaovao mahafaly ambaran’i Jesoa ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 06. Karemy V
2 Samoela 22. 47-51 | Matio 26. 57-66 | 2Korintiana 3. 1-6

| | 13. SAMPANDROFIA - Sampana Dorkasy
Salamo 84. 1-7 | Marka 11. 15-17 | Asan'ny Apostoly 14. 11-18

| | 17. ALAKAMISY MASINA
Fitipiana 3. 16-21 | Matio 26. 47-56 | 2Korintiana. 1. 3-7

| | 18. ZOMA MASINA
Salamo 22. 1-8 | Matio 27. 45-56 | Hebreo 5. 7-10

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina