Alakamisy 13 Martsa 2025

Salamo 105. 1-4 – FF13 – Vavaka – FFPM 308

« … Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.» (And. 29)

Teny nataon’i Petera nanoloana ny Synedriona sy ny Mpisoronabe izany. Norarana tsy hitory an’i Jesoa Kristy izy, nampidirina tao an-tranomaizina kanefa Andriamanitra nanafaka sy naniraka azy mbola hanambara hatrany ny filazantsara. Ary nataony tamin’ny fahasahiana izany satria lehibe taminy ny baiko nomen’Andriamanitra azy. Fianarana ho an’ny kristiana ankehitriny izany. Manoloanatra ny iraka mifanohitra amin’ny filazantsara, ataovy ambony ny baikon’ny Tompo mihoatra noho ny tenin’olona. Jesoa Kristy Mpamonjy antsika amin’ny fankatoavana ny teniny.

« … Izay novonoin’ny tananareo nahantonareo tao amin’ny hazo.» (And. 30)

Nambaran’i Petera teo anatrehan’ny Synedriona sy ny Mpisoronabe fa izy ireo no namono an’i Jesoa tamin’ny hazofijaliana. Io Jesoa izay novonoin’izy ireo io anefa no «hanome fibebahana sy famelan-keloka». Nanambara ny fahadisoan’ny olona i Petera. Toy izany ihany koa, tafiditra ao anatin’ny toriteny fitaomana ny mpanota handray famelan-keloka avy amin’i Jesoa Kristy. Ka tsy tokony hisy ho tafintohina amin’ny filazana ny fahotana vitany, ao anaty toriteny ny mpino fa hanaiky hiverina amin’ny Tompo kosa.

Inona no mahatezitra ny olona rehefa ambara ny helony?

Perikopa 2025

Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

| | 16. Karemy II - Sampanasa SAF
Hos. 14. 2-4 ; Mar. 1. 14-15 ; 2 Tim. 2. 19-21

| | 23. Karemy. III
2 Tantara 30. 1-9 | Lioka 13. 1-5 | Asan'ny Apostoly 3. 17-21

| | 30. Karemy. IV - Asa Fifandraisana FJKM
Joela 2. 12-17 | Jaona 12, 34-36 | Apokalipsy 2. 1-7

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina