Sabotsy 15 Martsa 2025

Salamo 98. 1-3 – FFPM 549 – Vavaka – FFPM 357

« Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; …» (And. 11)

Nanontany an’i Jesoa mangingina ny hevitry ny fanoharana momba ny voa nafafy ny mpianatra. Namaly i Jesoa ka nilaza fa nomena tombony manokana ny mpianatra hahalala mba hahazoany mibebaka. Nasarotina ny fahazoana ny hevitry ny filazantsara aminy fandrao mibebaka ny hafa. Ny kristiana, mpianatr’i Jesoa dia mahazo tombony amin’ny fahafantarana ny voalazan’ny Soratra Masina. Ka raha mandre toriteny ianao, misy tokony hibebahana, dia mibebaha mba hahazoanao mandova ny fanjakan’ Andriamanitra.

« Ary ireto no ilay voafafy teny amin’ny tany tsara, ny sasany avy telo-polo heny, … » (And. 20)

Rehefa mandre ny Tenin’ Andriamanitra ny olona dia misy tsy mitombo ao anatin’ny olona: esorin’i satana, levon’ny fahoriana na fanenjehana na fahatafintohinana, gejain’ny harena sy ny filan-javatra. Amin’ny olona mandray ny teny ka mitombo ao anatiny izany dia tsy manam-pahataperana ny famoany. Mba handovanao ny fanjakan’Andriamanitra ary, dia ekeo hitombo tsy mitsahatra ao anatinao ny Tenin’i Kristy. Aza avela hisy na inona na inona hangeja na hanakana ny fitomboan’ny Tenin’i Kristy ao anatinao dia handova ny fanjakan’ Andriamanitra ianao.

Inona avy ireo sakana tsy ahafahan’ny Tenin’i Kristy mitombo ao anatinao?

Perikopa 2025

Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

| | 16. Karemy II - Sampanasa SAF
Hos. 14. 2-4 ; Mar. 1. 14-15 ; 2 Tim. 2. 19-21

| | 23. Karemy. III
2 Tantara 30. 1-9 | Lioka 13. 1-5 | Asan'ny Apostoly 3. 17-21

| | 30. Karemy. IV - Asa Fifandraisana FJKM
Joela 2. 12-17 | Jaona 12, 34-36 | Apokalipsy 2. 1-7

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina