Alatsinainy 10 Martsa 2025

Apokalipsy 5. 13b – FFPM 171 – Vavaka – FFPM 790

    «Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ny itoeran’ny seza fiandrianan’i Satana… » (And. 13)

    Ny Fiangonana tany Pergamosy dia nisedra fanenjehana mafy tamin’izany. Tsy nihemotra tamin’ny finoana anefa izy ireo fa nijoro ho vavolombelon’i Kristy hatrany. Ny nanahirana anefa dia nanaiky ny fanompoan-tsampy izy ireo. Ary izany no antony ilazan’i Jesoa Kristy azy ireo fa mipetraka amin’ny fitoeran’i satana. Araka izany, ny olona mampifangaro ny finoana an’i Kristy ny fombafomba miendrika fanompoan-tsampy dia lazain’i Jesoa Kristy fa hitany sady mbola mitoetra amin’ny fitoeran’i Satana izany olona izany ka tokony hiala amin’izany.

      « Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ny sabatry… » (And.16)

      Ny anarana hoe « Ilay manana sabatra roa lela » no ilazana an’i Jesoa Kristy eto, izay entina maneho ny herin’ny teniny. Ary manamafy izany ny voalaza eto fa « hamely ireo amin’ny sabatry ny vavany ». Ny tenin’i Jesoa Kristy no hitsarany ny olona izay tsy mety mibebaka hiala amin’ny fitoeran’i Satana. Ka ho anao izay manana ny finoana an’i Jesoa Kristy kanefa mbola mitoky amin’ny sampy, dia mibebaha faingana. Fa raha tsy mibebaka ianao, día hihatra aminao ny herin’ny fitsaran’ny tenin’i Kristy. Jesoa Kristy irery ihany no aoka hanorenana ny finoana ary hanohitra ireo fampianarana hafa.

      Inona ny sampy mbola manalingelina ny finoana an’i Kristy?

      Perikopa 2025

      Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

      | | 16. Karemy II - Sampanasa SAF
      Hos. 14. 2-4 ; Mar. 1. 14-15 ; 2 Tim. 2. 19-21

      | | 23. Karemy. III
      2 Tantara 30. 1-9 | Lioka 13. 1-5 | Asan'ny Apostoly 3. 17-21

      | | 30. Karemy. IV - Asa Fifandraisana FJKM
      Joela 2. 12-17 | Jaona 12, 34-36 | Apokalipsy 2. 1-7

      FJKM Fahazavana

      ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina