Alakamisy 06 Martsa 2025
2 Korintiana 7.5-12
Salamo 34. 1-3-FFPM 21-Vavaka – FFPM 354
Fandrenesana ny filazantsara
1. Miteraka alahelo ho an’ny hafa
« Fa na dia nampalahelo anareo tamin’ny epistily aza aho, dia tsy manenina intsony… » (And. 8)
Heverina fa nisy Epistily hafa izay masiaka kokoa nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana. Nalahelo ny kristiana tao Korinto rehefa naharay io taratasy io. Nanitsy sy nananatra azy ireo mba handray ny filazantsara kanefa nahatonga alahelo ho azy ireo. Indraindray mivantana kokoa ny fampitana ny filazantsara, malahelo ny olona sasany raha mandre satria manitsy ny toetra ratsiny izay mbola tiany. Ary izany no mahatonga ny filazantsara antsoina hoe « sabatra roa lela ». Mety mahafaly mety miteraka alahelo ihany koa.
2. Mitarika amin’ny fibebahana
« Fa ny alahelo araka an’Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana… » (And. 10)
Ny alahelo araka an’Andriamanitra dia mifamatotra amin’ny fandikana ny sitrapon’Andriamanitra. Asan’ny Fanahy izay mitarika ny olona ho amin’ny fibebahana izany. Fibebahana manafaka amin’ny ota sy manome antoka amin’ny fandovana ny fiainana mandrakizay. Ary tokony ho toy izany ny alahelon’ny kristiana mandre filazantsara. Alahelo mitarika ho amin’ny fialana amin’ny ratsy mifanohitra amin’ny filazantsara fa tsy sanatria ho tahaka ny alahelon’izao tontolo izany mitarika amin’ny fiavonavonana noho ny fahaverezan’ny tombotsoa manokana. Aoka ho tonga amin’ny fibebahana ny alahelonao avy amin’ny filazantsara.
Fanontaniana
Inona no efa nataonao rehefa nalahelo noho ny toriteny
Sampana Sekoly Alahady Foibe