Alakamisy 6 Febroary 2025
Sal 150 / Hira 167:1 / Mofonaina / Vavaka
Sal 40.1-10
Velom-pisaorana an’Andriamanitra ny mpanao salamo eto, noho ny namonjen Andriamanitra azy, ary tsy fisaorana ihany aza, fa maneho ny fahavononany hankato ny Tenin’Andriamanitra ihany koa izy. Ahasinkasiny ao anatin’ny tononkirany ary fa ny olom-boavonjy dia:
1. Niaina mihitsy ny famonjen’Andriamanitra (and 1, 2)
« Niandry dia niandry an’i Jehovah aho…dia nampakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy… » hoy ny mpanao salamo. Asehony miharihary amin’izany fa ny famonjen’Andrimanitra resahiny dia tsy tantara ren’ny sofiny na koa lovan-tsofina nampitaina taminy, fa tena traikefa niainany, tena fidiran’Andriamanitra an-tsehatra azony notsapain-tanana. Nanavotra ny ainy Andriamanitra; ary io fanavotana io no ijoroany vavolombelona ato anatin’ny tononkirany.
2. Vonon-kanao sy Sitrapon’ Andriamanitra (and 8)
« Ny hanao ny sitraponao Andriamanitra ó no sitrako… » hoy hatrany ny tononkira eto; maneho ny fahavononana sy faharesen-dahatry ny olom-boavonjy hanaja sy hankato ny mpanavotra azy, ka hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy teren’Andriamanitra akory izy eto, fa nahim-pony madiodio no itenenany. Azontsika hisintonana ihany koa izany fa ny olom-boavonjy ihany no mahay manao ny sitrapon’ Andriamanitra tsy mila terena (Jao 4.34)
3. Vonon-kitory ny famonjen’Andriamanitra (and 9, 10)
« …Indro ny molotro tsy mba nakomboko…tsy nanafina ny famindramponao sy ny fahamarinanao tamin’ny fiangonana lehibe aho ». Misongadina eto. Koa fa tsy mitana ny famonjena ho azy irery, fa mizara izany amin’ny hafa ny mpanao Salamo. Taomina ianao, ambarao amin’ny hafa izay nataon’ny Tompo taminao, hinoan’ny hafa koa!
Fanontaniana
Ahoana no iainanao ny maha olom-boavonjy anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe