Talata 4 Febroary 2025
Sal 92. 1-5/FF 2: 1/Vavaka/Mofonaina/ Vavaka
Nomery 24.1-9
Tantara anankiray amin’izay tena mahaliana ao amin’ny Soratra Masina, ny tantaran’i Balaka, mpanjakan’i Moaba sy i Balama. Raha atao indray milaza ny tantara dia izao, nampaka an’i Balama, mba hanozona ny Isiraely i Balaka, mpanjaka, ary nampanantena hanome tamby sy voninahitra ho azy. Tsy sitrak’Andriamanitra anefa izany fa fitahiana sy tsodrano hatrany no nampitenenin’i Jehovah an’i Balama, ho an’ny Isiraely. Mivoitra tsara eto ary fa ny mpanompon’ Andriamanitra tsy misy fitaka dia:
1. Manao ny sitrapon’i Jehovah (and 1)
« …dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy… » hoy ny fitantarana. Mazava tsara tamin’i Balama ny sitrapon’ Andriamanitra eto, tsy azo hiodivirana, fa tanterahina fotsiny izao. Tsy izay famporisihana na fanambatambazana sy fandrokidrokiana araka izany, no tokony hanova ny Tenin’Andriamanitra entin’ny mpanompony; fa izay sitrapon’ny Tompo ihany no tsy maintsy ataony sy lazainy, na dia tsy mahafaly ny manam-bola sy manam-pahefana, te hampanao izay mahafinaritra azy ny mpanompon’ Andriamanitra aza izany. Na amin’ny teny na amin’ny asa, dia izay asain’Andriamanitra atao ihany atao! Modely nomen’i Jesoa rahateo izany (Jao 4.34)
2. Manaiky tahirihin’ny Fanahin’i Jehovah (and 2)
« Ary ny Fanahin’Andriamanitra tonga tamin’i Balama. Dia nanao oha-teny izy… ». Hitantsika eto fa tsy mahateny afa-tsy izay ampitenenin’ Andriamanitra azy ny olona raha ny Fanahin’ Andriamanitra no mampiteny azy. Mampanontany tena ankehitriny, ny hoe mba fanahin’iza no mampiteny ireny olona mitonona ho mpaminany ireny kanefa ny zav-dazaina sy atao, tsy mifanaraka amin’ny Sitrapon’Andriamanitra hita ao amin’ny Soratra Masina?
Fanontaniana
Hatraiza ny fankatoavanao an’Andriamanitra?
sampana Sekoly Alahady