Alatsinainy 03 Febroary 2025

Sal 24. 1-5 / Hira 24: 1/ Vavaka/ Mofonaina/ Vavaka

Fanontaniana telo no azontsika omena valiny miainga amin’izao anjara mofonainantsika izao:

Raha manakatra ny hevitra fonosin’ny hoe velona isika; dia hahazo avy hatrany fa ny dikan’izany dia hoe miaina, mitombo; ary afaka mahazo faka ka maniry tsara sy mamoa be aty anantintsika. Izany indrindra no mahatonga an’i Jesoa nanao fanoharana ny amin’ny mpamafy (Lio 8), ka nilazany fa « ny voa dia ny Tenin ‘Andriamanitra ». Fantatsika tsara fa ny voa dia afaka mamoa indray ny hazo na ny zava-maniry nanalana azy. Ny andrasana amintsika amin’izany ary, di any mba hanaovantsika ny fontsika ho toy ny tany lonaka haniriana sy hamoazan’ny Tenin’Andriamanitra.

Ny Baiboly manontolo mihitsy, hatrany amin’ny Fiandohany dia efa mampiharihary ny herin’ny Tenin’Andriamanitra fa io no nentin’ Andriamanitra nahary izao tontolo izao tamin’ny hoe; « misia…dia nisy… » (Gen 1). Afaka manandrana miteny ianao hoe: misia; saingy fantatrao avy hatrany fa tsy manan-kery hampisy na hahary ny teninao. Maneho amintsika miharihary ny herin’ny Tenin’Andriamanitra izany!

Fitaovam-piadiana noforonin’ny miaramila Romana ny sabatra roa lela, mahavoa hatrany rehefa alefa. Midika izany, fa tsy miala maina ny Tenin’Andriamanitra fa tafalatsaka lalina ary afaka manova ny fo vato ho tonga fo nofo! Manova ny maditra ary afaka mampitodika ny mafy hatoka!

Mitondra inona ho anao ny Tenin’Andriamanitra?

Perikopa 2025

Febroary: MAMONJY NY TENIN'ANDRIAMANITRA

| | 09. Ala. V man. Epifania - Alahadin'ny Baiboly
Sal. 119. 41-48 ; Lio. 6. 46-49 ; 2 Kor. 6. 1-10

| | 16. Ala. VI man. Epifania - Arsiva FJKM
Isa. 55. 6-13 ; Jao. 6. 66-71 ; 2 Tim. 2. 8-13

| | 23. Ala. VII man. Epifania
Jos. 10. 8-11 ; Lio. 4. 31-37 ; 1 Jao. 2. 12-14

Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

| | 02. Ala. VIII man. Epifania
Oha . 1. 20 -33 ; Mat. 3. 7-12 ; Asa 26. 19-23