Sabotsy 01 Febroary 2025
VOLANA FEBROARY
MAMONJY NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Sal 93. 1-5/Hira 205: 1/Vavaka/ Lioka 6. 46-49/Vavaka/ Hira 205: 3
Lioka 6. 46-49
Fampianarana maro no efa nataon’i Jesoa mialoha ity anjara mofonainantsika ity. Ary ampianariny antsika eto koa fa ny andrasany sy ilainy amin’izay mandre ny Teniny sy mihaino ny fampianarany dia:
1. Tsy valin-teny imolotra fotsiny (and 46)
« Ary nahoana lanareo no manao amiko hoe Tompoko, Tompoko nefa tsy manao izay lazaiko? » hoy i Jesoa. Ahasinkasiny amin’izany fa tsy resaka na fitsetserana fotsiny na koa mihatokatoka fotsiny no andrasan’i Jesoa amin’ny olona mihaino Azy. Tsy hafanam-po fotsiny co am-pihainoana ka hoe tapitra ny toriteny dia tapitra ihany koa ny hafanana…izany ilay hoe: tompoko, tompoko.
2. Fankatoavana sy fampiharana (and 48)
« Tahaka ny olona nanao trano…ary nanisy fanorenana teo ambonin’ny vatolampy », no anchoan’i Jesoa ny olona Mankato sy mampihatra izay nampianariny. Hitantsika eto fa nanosika ity karazan’olona ity hanana fahendrena sy fanorenana mafy ny Tenin’i Jesos, latsa-paka ao anatiny ary mahatonga azy ho tsara fototra, ka na inona na inona mitranga, dia tsy mampihontsona ny finoany efa tsara orina; na fizahan-toetra hahamay, na fakam-panahy hitaona, tsy miova ny finoany. Mandry fehizay izy.
3. Raha tsy izany maty antoka (and 49)
« ka dia nirodana niaraka tamin’izay izy, ary loza ny naharavan izany trano izany » hoy ny filazan’i Jesoa ny olona, mba naheno Toriteny ihany kanefa tsy navelany hanova na inona inona teo aminy izay norenesiny, hany ka tsy misy fototra iorenana izy fa vao voadona kely dia mianjera ary tsy fe mianjera fa mongomongo sy torotoro. Ankatoavy ny Teny sy ny fampianaran’i Jesoa!
Fanontaniana
Hatraiza ny ny fankatoavanao ny Tenin’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe