Alatsinainy 27 Janoary 2025
Sal 125.1-5 / Hira 7.1-3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 10
Fitomaniana 5. 19-22
Tsy miova Andriamanitra
1- Maharitra mandrakizay ny fanjakany
Na dia rava aza ny Tempoly dia ambaran’ny mpanoratra kosa fa maharitra mandrakizay ny fipetrahan’ Andriamanitra amin’ny seza fiandrianany. Izany indrindra no mampiseho fa tsy miova Andriamanitra, ary tsy hanadino azy ireo mandrakizay. Tsy misy andriamanitra toa Azy ka izany no manosika azy ireo hangataka ny hampiverenan’Andriamanitra azy ireo Aminy indray. Ao amin’Andriamanitra irery ihany no misy ny fanafahana amin’ny fahoriana miseho ankehitriny. Maharitra mandrakizay Andriamanitra ary maharitra toy izany koa ny famindrampony sy ny fitiavany ny olony. Koa andeha hiverina Aminy.
2- Afaka mamerina ny olony Izy
Ny hevitry ny hoe « Jehovah ô, ampivereno Aminao izahay mba hiverenanay, havaozy ho toy ny fahiny ny andronay » (and 21) dia maneho fa rehefa nihataka tamin’Andriamanitra ny olona ary nokapohin’Andriamanitra dia tsy vitan’ny fanapahan-kevitr’olona irery intsony ny fiverenana indray ao amin’Andriamanitra; fa Izy irery ihany no afaka mibaiko ho amin’ny fanatanterahana izany fikasana izany. Fahasoavana ao amin’Andriamanitra izany ary omeny maimaim-poana. Izany famerenana’Andriamanitra ny olona ho Aminy izany no maneho fa tsy handà ny olony tokoa izy ary tsy ho tezitra aminy mandrakizay satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Izy.
Fanontaniana:
Tapa-kevitra hiverina ao amin’ny Tompo tokoa ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe