SAMPANA DORKASY (SD)
BP 623 – 101 Antananarivo – e–mail : dorkasyfjkm@gmail.com
Biraon’ny SD (V.509)
Filoha : DINA Lovasoa RABENARIVO – 034 56 250 88
Filoha mpanampy : RANARISON Soazandry Marie Eugénie , Mpitandrina – 034 16 603 40
Mpitantsoratra (F) : RABETOKONTANY Vero, Mpitandrina – 034 29 038 96
Bodonavalona NOMENJANAHARY, Mpitandrina – 034 39 815 91
Mpitantsoratra (V) : RANDRIAMBELO Fenitra Dinaharilala – 034 24 119 11
Mpitahiry vola : RAKOTOBE Lally – 034 15 884 59
Mpanolotsaina : RASOAMANDRO Vololona – 038 96 980 94
Tonia : RAZAFINDRAJERY Oniniaina Harifà, Mpitandrina,
034 08 102 42 – 032 66 077 08 – pasteurharifa @gmail.com
Mpandinibola :
RAVELONANOSY Hanta – 034 16 301 63
RAZAFINDRAKOTO Solonirina –
ANDRIANOMENJANAHARY Tatamo – 034 06 100 96
“Miorena tsara aza miova “ Ikor 15:58
« Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany?” Mat. 47b
Ny Kristiana rehetra no manatontosa ny asa fanompoana an’Andriamanitra amin’ny maha vahoakan’Andriamanitra azy; izany hoe tsy misy Kristiana tsy manana anjara fanompoana araka ny fanomezam-pahasoavana ananany. Izany no antony nanorenana ny Sampana Fivondronana Laika F.J.K.M., ka ny Fitsipika Fototra (F.F.) mifehy azy dia manaja ny Foto-dalàna (F.D.) sy ny Fitsipika F.J.K.M.
LAIKA :
Ny teny hoe : « Laika » dia efa misy dikany toy ireto :
- Ny teny grika hoe : « laos » no niaviany, izay mitovy hevitra amin’ny hoe : « vahoaka ». Ao amin’ny Filazantsara kosa dia » Vahoakan’Andriamanitra » no ilazana ny » Laika » ary amin’io dia ao avokoa ny Kristiana rehetra.
- Ny Fiangonana Kristiana taty aoriana indray, indrindra ny Fiangonana Katolika dia nampiasa io teny hoe « Laika » io, ho fanavahana ny olona tsy voatokana ho Mpitondra Fivavahana, amin’ny Mpitandrina, na Pretra, na Relijiozy, na Pastora, na Presbytera. Koa io heviny farany io no raisina sy ampiasaina amin’izao fotoana izao. Heviny tsotra no andraisantsika azy : « Kristiana tsy voatokana na tsy voahosotra ho mpitondra fivavahana ».
Koa dia mazava amin’izany fa ny Mpitandrina dia Laika voatokana na voahosotra. Io heviny io no noraisin’ny Synôda Lehibe tamin’ny nanekena azy ho isan’ny sampana velona ato amin’ny F.J.K.M.
NY ANARANA IANTSOANA AZY :
Fivondronana Laika no anarany, satria ivondronan’ireo Kristiana vonona hiara-miasa amin’ny olona rehetra ao anatin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny Fiangonana ary tsy manavaka na iza na iza.(Atoa Joseph RAMAMBASOA Mpit.)
Toko 1 : Ny Fiorenany
And. 1 Famaritana : Ny Sampana Fivondronana Laika F.J.K.M. (S.F.L.) dia Sampana faha VI najoron’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (F.J.K.M.) ary nankatoavina ho Sampana tamin’ny Synôda Lehibe faha-VI tamin’ny taona 1978 tao amin’ny Kolejy Protestanta Rasalama Antananarivo. Nambara ampahibemaso tao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena ny 29 janoary 1979 ny fijoroany.
And. 2 Foto-kevitra ara-teolojika : Ny Sampana Fivondronana Laika F.J.K.M. dia natsangana mba hivondronan’ireo Vahoakan’Andriamanitra tsy ankanavaka hiara-miasa amim-pitiavana, hampihatra ny Soratra Masina eo amin’ny lafim-piainana rehetra sy hijoro hovavolombelona amin’ny alalan’ny asa eo anivon’ny fiaraha-monina.
Manana ny teny fanevany ny Sampana : « INONA NO ATAONAREO MIHOATRA NOHO NY SASANY? » Mat. 5/47b.
Manana ny hira fanevany ihany koa : » FA NANTSOINA ISIKA IZAO «
Manana sary famantarana izay mampiavaka azy ny Sampana Fivondronana Laika ahitana sary fela-tanana roa miantso ireo izay mbola tsy ao anaty Sampana ka mitodika miankavanana, ny iray ao aorianan’ny hazo fijaliana ary ny faharoa eo anoloanany. Miloko manga antitra ny tokotaniny ary fotsy ny sary.
And. 3 Zava-kendrena : Ny zavatra kendren’ny Sampana Fivondronana Laika F.J.K.M. dia ny hampivondrona sy hampiray saina ny Vahoakan’Andriamanitra mba hampitoetra amin’’ny toerana rehetra, indrindra eto Madagasikara ny tena fiaraha-monin’ny ankohonan’Andriamanitra manomboka amin’ny FJKM :
3.1 Hifampitaiza, hifanabe, hifampahery amin’ny finoana sy hiandraikitra fanabeazana eo amin’ny fiaraha-monina, mahasahana ny olona manontolo sy ny olona rehetra : vatana saina ary Fanahy.
3.2 Hiara-miasa hanitatra sy hampandroso ny asan’ny Fiangonana amin’ny fanomezam-pahasoavana samihafa:
a) Hikaroka loharanombola maharitra ho an’ny asan’ny Fiangonana.
b) Hikaroka lalan-kevitra sy hanatanteraka izany, mba hampivoatra ny fiainan’ny mponina eto Madagasikara.
3.3 Hitandro sy hiaro ny fijoroan’ny F.J.K.M. eo anivon’ny firenena sy ny fiarahamonina mba hahafahan’ny rehetra mandre ny Filazantsara sy mandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy.
3.4 Hitandro sy hiaro ny fijoroan’ny F.J.K.M. eo anivon’ny firenena sy ny fiaraha-monina.
a) Handinika sy hanolotra amin’ny Foibe F.J.K.M. ny hevitra rehetra hampandrosoana ny asan’ny Fiangonana, ka handray anjara araka izay azony atao amin’ny fomba enti-manatanteraka ireny tolo-kevitra ireny.
b) Handroso mandrakariva eo amin’ny Ekiomenisma eo ambany fitarihan’ny Foibe F.J.K.M.
Toko 2. Ny mpikambana
And.5 Filatsahana : Mahazo milatsaka ho Mpikambana ny Vahoakan’Andriamanitra vonona hampiasa ny fanomezam-pahasoavana mba hahatrarana ny zava-kendrena voalaza etsy amin’ny And.3, ary manaiky hanaja ny Fitsipika Fototra (F.F.) sy ny Fitsipika Anatiny (F.A.). Misoratra anarana ary manana karatra ara-dalàna.
Misy sokajy roa ny mpikambana :
- Mpikambana tompon’andraikitra ka manaiky ny fepetra maha-mpikambana azy, mandray anjara sy mandatsa-bato.
- Mpikambana mpanohana, manolotra fanomezana, na fanampiana araka izay faritan’ny F.A.
Toko 3. Ambaratongan-drafitra
And.6 Ny rafitra : misy ambaratonga telo (03) ny rafi-pitondrana ao amin’ny S.F.L. :
6.1 Eo anivon’ny fitandremana : Vondrona Fototra Laika (V.F.L.)
6.2 Eo anivon’ny Synôdam-paritany : Vondrom-Paritany Laika (V.P.L.)
6.3 Eo anivon’ny Foibe : Komity Foibe ( K.F.)
Ny fitondrana : misy ambaratonga telo ny mpanapa-kevitra ato amin’ny S.F.L.
- Ny Zaikabe.
- Ny Komity Foibe.
- Ny Birao Foibe.
Ny Taona 2019 dia feno 40 Taona ny Sampana Fivondronana Laika : Ny Tsangambato dia trano fiangonana any Befasy Morondava SP36 ‘ FJKM Befasy Andriamanitra Mahery”Ny Taona 2024 dia feno 45 taona ny Sampana Fivondronana Laika : ezaka loharanombola maharitra , fananganana fotodrafitr’asa ‘Ivon-toerana fandraisam-bahiny “ , ao Mangarivotra Boina Vaovao Mahajanga SP37