Sabotsy 11 Janoary 2025
Sal 111.1-5 / HF 45/ Vavaka / Mofonaina/ Vavaka / HF 3
Salamo 111.1-10
Lehibe ny fiandrianan’Andriamanitra.
1- Asehony amin’ny alalan’ny asany mahagaga (and.2,3)
Raha mandinika sy misaina ny zavatra rehetra noharian’ Andriamanitra isika dia hahatsapa fa mahagaga sy mahatalanjona ny asan’Andriamanitra, tsara sady kanto ny zavatra rehetra nohariany. Manambara ny halehiben’ny voninahiny ireny rehetra ireny, mampiseho koa ny fahendreny lalina izay mandrindra sy mifehy izao rehetra izao. Miombona amin’ny mpanao Salamo isika ka milaza hoe: « Lehibe ny asan’i Jehovah, ka dinihin’izay rehetra mankasitraka azy. Madera sady malaza ny asany; ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. »(and.2,3)
2- Asehony amin’ny alalan’ny fiahiana ny olony
Tsaroana eto ny nanafahany ny Zanak’Israely tany Egypta (and.9), ny nanomezany hanina azy ireo tany an’efitra (and.5); ny nanomezany azy tany honenana (and.6) Tadidio fa toy izany koa ny nanavotan’Andriamanitra antsika tamin’ny ota ka namonjeny antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy; ny fanomezany hanina sahaza isanandro, manome zara tany ho antsika izy ka mamponina antsika amin’izany, Azy ny tany fa isika dia natao hiasa sy hitandrina ny fananany.
3- Asehony amin’ny alalan’ny toetrany
Tanisain’ny mpanao Salamo eto ny toetr’Andriamanitra araka izay ahalalàny Azy: Andriamanitra Marina Izy (and.3), miantra sy mamindra fo ka mamela ny fahotantsika raha mibebaka tokoa isika (and.4), mahitsy (and.8), masina sy mahatahotra (and.9). Ireny rehetra ireny no maneho ny fahalehibeazany ka mendrika hoderaina eo anatrehan’ny olona rehetra Izy.
Fanontaniana:
Amin’ny fotoana inona, na antony manao ahoana no ahatsapan’ny olona fa mahagaga ny asan Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe