Sabotsy 28 Desambra 2024
Filipiana 2.1-11
Kristiana miaina ny fitondrantena araka an’i Kristy:
1- Manao ho zava-dehibe ny fiombonana (Vakio ny and.1-4)
Ny firaisana amin’i Kristy dia fiombonana amin’ny Fanahy Masina. Izay no fototra ahafahan’ny mpino mahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra, sy ahaizana miombona amin’ny mpiara- belona, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana. Ny olona manana firaisana Aminy dia manana fitiavana sy fangorahana; be hatsaram-po, afaka hifankatia sy hiray saina. Ampirisihin’i Paoly ny mpino mba hanana izany toe-panahy izany ka ⚫ hanalavitra izay mety hitondra ho amin’ny fifampiandaniana sy fanaovana tsinontsinona ny namana. Zava-dehibe amin’izany ny fialana amin’ny fitiavan-tena, ka hiheverana ny namana ho ambony noho ny tena. Izany no tena fanetren-tena. Milamina sy mirindra ny fiarahamonina, raha Kristy no atao ivon’ny fiombonana.
2- Manana ny toe-tsain’i Kristy (Vakio ny and. 5-11)
Kristy dia Andriamanitra, nananany avokoa ny toetr’ Andriamanitra: ny hajany, ny voninahiny, ny fahefany. Nafoiny anefa izany rehetra izany tamin’ny nanekeny haka ny endriky ny mpanompo. Ho sarotra amin’ny olona izay tompon’andevo ny hidina an-tsitrapo ho tonga andevo. Nanana izany toe-tsaina izany i Kristy nandritra ny androm-piainany tety an-tany: nanomboka tamin’ny fahaterahany tany am-pihinanam- bilona, ka hatramin’ny nahafatesany tamin’ny Hazofijaliana. Izany fanetren-tena lehibe izany no nitondra Azy ho amin’ny voninahitra sy laza eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fanetren-tena no làlana mankamin’ny voninahitra sy ny fisandratana fa tsy ny fandrombahana fahefana an-terisetra. « …Ary izay manetry tena no hasandratra » (Lio 14.11b)
Fanontaniana:
Inona avy ny voka-dratsy ateraky ny tsy fahaiza-manetry tena?
Sampana Sekoly Alahady Foibe