Alahady 29 Desambra 2024

Salamo 2.7-12

Hafatra ho an’ny mpitondra fanjakana

1- Avy amin’Andriamanitra ny fahefana

Raha jerena amin’ny ankapobeny ny Testamenta Taloha dia ahitana fa nanana anjara toerana lehibe tamin’ny fitantanana ny firenen’ny Israely ny mpanjaka. Ninoana tamin’izany fa Jehovah Andriamanitra mihitsy no manendry izay ho mpanjaka ho an’ny Israely. Matetika dia ny zanaky ny mpanjaka ihany no tonga mpandimby azy. Mialoha ny handraisany fahefana dia misy ny fanosorana azy ho mpanjaka, amin’io fotoana io no anoloran’ilay mpanjaka hodimbiasana imasom-bahoaka ny fahefana eo amin’izay handimby azy. Toy izany no nataon’ Davida tamin’i Solomona zanany. Fa eto kosa, ny teny hoe « Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany » (and.7), dia hanambarana ampahibemaso fa Jesoa Kristy no voahosotra ho tena Mpanjaka, Mpaminany ary Mpisorona. Andriamanitra no nanome Azy ny fahefana rehetra mba hanjakany amin’ny firenena rehetra hatrany amin’ny faran’ny tany (and.8)

2- Maneke an’i Jesoa Kristy Mpanjaka (and 10-12)

Manomboka eto kosa dia mitodika mivantana amin’ny mpitondra sy ny manam-pahefana, mbamin’ ny mpitsaran’ny tany ny hafatra. Anarina izy ireno mba ho hendry. Ny fahendrena dia ny fanekena sy fankatoavana ny Mesia, Ilay voahosotr’Andriamanitra, Ilay nomena ny fahefana rehetra. « … Manompoa an’i Jehovah amin’ny fahatahorana… » (and.11). Izay mialoka Aminy sy manaiky an- tsitrapo ny fahefan’ny Zanany dia mampiasa ny fahefana nomena azy amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Handray fahasoavana sy fahasambarana izay toy izany. Fa izay mandà Azy ka miavonavona sy tsy manetry tena co anatrehany kosa dia ho any amin’ny fahaverezana (and. 12).

Fanotaniana:

Inona no andraikitry miandry ny Fiangonana manoloana ny mpitondra tsy matahotra an’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 05. Ala. EPIFANIA
Deo. 10. 12-19 ; Mat. 23. 16-28 ; Heb. 8. 1-6

| | 12. Ala. I ma . Epifania
2 Tan. 20. 5-9 ; Mat. 5. 33-37 ; Heb. 12. 1-3

| | 19. Ala. Il man. Epifania - FFKM
Isa. 66. 1-2 ; Jao. 2. 1-12 ; Asa 7. 44-50

| | 26. Ala. III man. Epifania - Marary Hoditra
Lev. 13. 9-17 ; Mar. 1. 40 -45 ; Jak. 5. 13-18