Talata 03 Desambra 2024

Marka 1.1-8

Manetry tena manoloana ny antson’ Andriamanitra

Ny asa fanompoana notanterahin’i Jaona mpanao Batisa no manomboka ny Filazantsara araka an’i Marka.

1. Mihaino ka manatona

Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina renetra tany Jerosalema». Iraka niantso mafy tany an-efitra i Jaona mpanao batisa. Rehefa nandre ny antsony sy ny fanambarany ny amin’ny batisan’ny fibebahana ny olona dia maro no nanatona azy. Nanatona, nandao ny toerana mahazatra, nandao ny tontolo izay nisy azy avy mba hihaona amin’ilay zanak’ Andriamanitra. Ny olona mahay manetry tena irery ihany no afaka handao ny tontolo efa nitoerany mba ho amin’ny famonjen’Andriamanitra. Raha tsy mahay manetry tena ny olona dia voafatotry ny tontolo mahazatra.

2- Miaiky heloka

Nataony batisa tao amin’ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. Resilahatry ny antso ho amin’ny batisan’ny fibebahana ho famelan-kelona nataon’i Jaona ireto olona nanatona azy. Niaraka tamin’izany fanatonana izany ny fanekena hibebaka, fiaikena fa mpanota ka miandrandra famelan-keloka (and.5). Ny olona manetry tena sy tsy manafina ny fahotany no afaka mandray famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra ho amin’ny famonjena azy. Tsarovy fa raha miezaka manamarina ny tenany ny olona ka milaza fa tsy mpanota dia tsy afaka handray ny famonjena mihitsy

Fanontaniana:

Lazao ireo fanapahan-kevitra tokony horaisin’ny olona mihaino ny Tenin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024/2025

Desambra: MANETRY TENA NY MPINO

| | 29. Ala. man Krismasy - Fiantsoana - SeFaLa
Salamo 2. 7–12 | Matio 23. 1–12 | Hebreo 1. 5–14

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 01. TAOM-BAOVAO
Deo. 11. 8-12 ; Mar. 1. 9-13 ; 1 Jao. 2. 20-23

| | 05. Ala. EPIFANIA
Deo. 10. 12-19 ; Mat. 23. 16-28 ; Heb. 8. 1-6

| | 12. Ala. I ma . Epifania
2 Tan. 20. 5-9 ; Mat. 5. 33-37 ; Heb. 12. 1-3