Alatsinainy 25 Novambra 2024
Galatiana 5.16-18
Iankinan’ny fahatsaram-pitondran-tenan’ny Kristiana ny fananany ny Fanahy Masina
Rehefa tena nihaona tamin’ny Jesoa ny olona dia miala amin’ny fahotany, dia mandray ny Fanahy Masina; io no mibaiko ny sainy mba hanao asa sy fihetsika tsara satria Fanahy Tsara Izy. Na dia olombelona aza isika ka mora manao ratsy, efa maty ilay tenan’ny nofo taloha fa tenan’ny fanahy izy ka manana hery be hanoherana ny faharatsiana. Ry havana, raha mahatsiaro fa olom-baovao isika dia mora amintsika ary ao anatitsika ao ny fahamorana hanao ny tsara. Raha somary sarotra amintsika kosa ny manao ny tsara, dia mety hoe tsy monina maharitra ao amintsika ny Tompo fa mandalo, na mety efa nifindra any ivelan’ny fontsika. Angataho Izy ho teraka ao am-pontsika indray. Fa raha tsy izany dia ho olona mora manao ratsy isika. Aoka anefa ho fantatsika fa ny mpanao ratsy dia tsy miditra ny fanjakan’ny lanitra hoy ny ambaran’ny Soratra Masina « Moa tsy fantatrareo va ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an- keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.» (1Kor 6.9)
Fanontaniana
Mbola mponina ao anatin’ny fonao ve ny Fanahy Masina?
Sampana Sekoly Alahady Foibe