Zoma 01 Novambra 2024
Titosy 1.1-4
Aoka isika ho mpanompo mahatoky (and.1)
Ambaran’i Paoly eto am-piandohan’ity taratasy soratany eto ity ny tanjona tiany hotratrarina amin’ny maha apostolin’i Jesoa Kristy azy
1. Hampandroso ny finoana
Ny finoana no fototra lehibe entin’ny mpino iatrehana ny fiainana. Ny olona tsy manana finoana mantsy dia tsy ahavita sy tsy ahefa na inona na inona. Ny finoana no fatra sy fetra ahitana ny tena mpanara-dia an’i Jesoa. Koa rariny tokoa ary hitsiny indrindra raha atao tsara ny fampandrosoana ny finoana. Tsy ny finoantsika ihany fa ny finoan’ny hafa manodidina antsika koa amin’ny maha vavolombelon’ny fahazavan’i Kristy antsika. Mipetraka amintsika ary ny fanontaniana napetrak’i Jesoa «Kanefa, raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy? » (Lio 18.8)
2. Hampandroso ny fahalalana tsara ny marina
Tsy tanjona fa tena antom-pisian’ny apostoly ity ambaran’i Paoly momba azy ity. Na izany aza anefa dia aoka ho ao an-tsaintsika fa nisy ireo fampianaran-diso izay nitranga, ka nahatonga an’ity taratasy ho an’i Titosy ity. Ny fahalalana tsara ambara eto dia tsy inona fa ny Tenin’Andriamanitra izay hany tokana azo antoka ny fahamarinany. Ankehitriny dia mihazakazaka any amin’ny fahagagana sy ny fihetsika ivelany ny maro. Heveriny fa ahitana sitraka amin’Andriamanitra ireny. Raha tiantsika ny handroso na ara-panahy na eo amin’ny fiainana dia ataovy tsara ny fifandraisana amin’Andriamanitra, dia ny fampandrosoana tsara ny Teniny. Tsarovy ny Tenin’i Jesoa hoe: « Dinihinareo ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.» (Jao 5.39)
Fanontaniana:
Inona avy ireo toetra maha mpanompo mahatoky anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe