Alakamisy 31 Oktobra 2024

Matio 21. 23-32

Ny manao ny sitrapon’Andriamanitra dia:

1. Tsy izay manaiky ivelany fotsiny, nefa tsy manatanteraka (and 30, 31)

Fanoharana ny amin’ireo roalahy nirahin-drainy hiasa any amin’ny tanim-boalobony no ataon’I Jesoa eto, entina manazava ny amin’ny hoe iza marina moa no manao ny sitrapon Andriamanitra. Ny faralahy rehefa nirahiny dia nanaiky avy hatrany, ny handeha, kinanjo ny lohany fotsiny no nihatoka fa 1sy nidina tany an-tanim-boaloboka akory izy, ary tsy nanao ny asa nampanaovin-drainy azy akory satria lalan-kafa mihitsy no nalchany. Raha ny marina dia izay tiany ihany no nataony, izay naha diavolana ny sainy no nalehan’ny tongony, ka na dia nanaiky izao aza izy rehefa nirahin-drainy, dia tsy nataony ho zava-dehibe ny fanatanterahana ny baikon-drainy fa nampandeferiny. Ilazana ny olona jerena amin’ny endrika ivelany toa tena mpivavaka sy tena Kristiana, kanefa ny zavatra atao tsy araka izany fa mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.

2. Izay nanenina ka niova (and 29)

« Tsy handeha aho, nefa nony afaka izany dia nanenina izy ka nandeha ihany ». Ny atao hoe manao ny sitrapon’Andriamanitra dia ny olona izay mahatsiaro ny fahadisoany ary manenina ka mibebaka ary miverina amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Izay no mahatonga an’i Jesoa miteny hoe ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no mialoha ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra, satria rehefa hitoriana teny ireny ka mibebaka dia miala amin’ny fahotany. Fa ny olona mihevi-tena ho efa masina sy pivavaka no manao anakam-po hoe efa voavonjy ka lasa miavonavona am-po no mandrarak’ilo mby an-doha!

Fanontaniana

Manao ahoana ianao manoloana ny sitrapon’ Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 05. Ala. EPIFANIA
Deo. 10. 12-19 ; Mat. 23. 16-28 ; Heb. 8. 1-6

| | 12. Ala. I ma . Epifania
2 Tan. 20. 5-9 ; Mat. 5. 33-37 ; Heb. 12. 1-3

| | 19. Ala. Il man. Epifania - FFKM
Isa. 66. 1-2 ; Jao. 2. 1-12 ; Asa 7. 44-50

| | 26. Ala. III man. Epifania - Marary Hoditra
Lev. 13. 9-17 ; Mar. 1. 40 -45 ; Jak. 5. 13-18