Alakamisy 03 Oktobra 2024

2Korintiana 5.16-19

Ny olona ao amin’i Kristy

1. Manana fiainam-baovao

«… dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. » (And. 17)

Araka an’i Paoly Apostoly, ny olona ao amin’i Kristy dia olona manana fiombonana lalina amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny finoana ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Izany finoana an’i Jesoa Kristy izany no mitarika ho amin’ny fiainam- baovao. Araka izany, ny olom-baovao ao amin’i Kristy, dia olona efa maty tamin’ny ota sy ny fahotana ary niara-natsangana amin’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy. Noho izany, tsy ny ota intsony no mibaiko ny kristiana, izay olom-baovao ao amin’i Kristy fa ny herin’ny fitsanganana tamin’ny maty.

2. Vita fihavanana amin’ Andriamanitra

«Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany. >» (And. 19)

Jesoa Kristy no hany lalana tokana hahazoana fampihavanana sy famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra. tonga fampihavanana ny samy mpino ihany koa i Jesoa Kristy. Noho izany, ny olona rehetra nandray fampihavanana nataon’i Kristy dia voavela heloka. Jesoa Kristy no fiandohana sy fiafaran’ny fampihavanana izao tontolo izso amin’Andriamanitra, tamin’ny nahafatesany. Ka ny filazantsara, dia ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, dia manana sanda tsy mety tapitra, hanafoana ny fahatezeran’Andriamanitra tokony hihatra amintsika. Koa minoa ny Filazantsara.

Fanontaniana

Ahoana ny fomba handraisana ny fampihavanan’i Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024/2025

Desambra: MANETRY TENA NY MPINO

| | 22. Advento IV
Genesisy 3. 9–15 | Lioka 9. 46–50 | Romana 16. 17–20

| | 25. KRISMASY
Mika 5. 1–5 | Matio 1. 18–25 | Filipiana 2. 1–11

| | 29. Ala. man Krismasy - Fiantsoana - SeFaLa
Salamo 2. 7–12 | Matio 23. 1–12 | Hebreo 1. 5–14

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 01. TAOM-BAOVAO
Deo. 11. 8-12 ; Mar. 1. 9-13 ; 1 Jao. 2. 20-23