Zoma 20 Septambra 2024

1Timoty 4, 6-10

Ny mpanompo tsara an’i Kristy Jesoa:

1. Mikolokolo hatrany ny finoana

« Tezaina amin’ny tenin’ny finoana, sy ny fampianarana tsara izay efa narahina » (and 6d): Nandray ny fampianarana i Timoty izy, ka mampita izany amin’ny hafa indray avy co. Fanabeazana mitohy sy maharitra no ilaina. Miara-dalana amin’izany ny fitondrantena tsara izay mifanaraka amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Adidintsika araka izany ny mandray tsara ny fampianarana, ny miaina izany amin’ny fahamasinana ary mampita izany amin’ny hafa indray. Kolokoloy hatrany ny finoana. Mijoroa ho vavolombelon’i Jesoa Tompo. Ilay Mahery amin’ny teny sy ny asa. Tohizo hatrany ny finoana arahana asa.

2- Mikolokolo hatrany ny fahasalamana

« Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena » (and 8). Ilaina ny mikolokolo vatana sy fahasalamana. Ny Filazantsara torintsika dia mahasahana ny olona manontolo, saina, vatana, fo, fanahy. Tempolin’ny Fanahy Masina ny tenantsika ka tsy maintsy kolokoloina tsara. Tsy simbaina amin’ny fandrerahan-tena amin’ny fomban’izao tontolo izao. Tsy maintsy mitandro fahasalamana amin’ireo sakafo sy fisotro ara-pahasalamana isika. Ny dia an-tongotra amin’ny fitetezana tanana sy vohitra dia sady famontosana Filazantsara no fampiasana ny tena hahasoa ny fahasalamana.

3-Mitory hatrany ny famonjena

« Izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino » (and10). Torio hatrany ny fahatsaran’ny Tompontsika. Ilay fanantenana tsy mamitaka.

Fanontaniana

Inona avy no mampiavaka ny mpanompo tsara an’i Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024