Talata 27 Aogositra 2024

Salamo 61.1-8

Miverena amin’Andriamanitra

1- Mahatsiaro ho irery sy very ny olona

Voalazan’ny mpanao Salamo fa tahaka ny any am-paran’ny tany mihitsy izy ka manirery. Ny tiany ambara amin’ny hoe any am-paran’ny tany dia tena alavitry ny toera-masina izay fivavahana sy ifandraisana amin’Andriamanitra mivantana. Tsy afaka niaina izany fifandraisana amin’ny Tompo izany izy, izany hoe: tsy afaka nivavaka sy nitalaho ary nangataka fanampiana tamin’ny Tompo tao amin’ny toera-masina ka nahatsiaro ho irery sy very. Ny ambara amin’ny hoe: « vatolampy avo tsy tratro » kosa indray dia ny toerana azo antoka hahafahana manosika sy mandresy ireo fahavalo; ary aminy dia tsy misy afatsy ny hery sy ny fahefan’ny Tompo no ambarany amin’izany ka maniry hialoka sy hiantehitra amin’izany izy. Tery loatra noho ny fahavalo manenjika azy mantsy ity mpanao Salamo ity ka mila fanampiana sy vahaolana avy amin’ny Tompo, dia izao mivavaka izao.

2- Ao amin’Andriamanitra ny vahaolana

Resy lahatra ny mpanao Salamo fa ao amin’ Andriamanitra no misy ny vahaolana amin’ny zava-manahirana maro samihafa (jereo Sal 23. 6, 27. 4, 140. 13). Ny finoana sy fahatokiana ary fianteherana tanteraka amin’Andriamanitra araka izany no ampitainy sy ampianariny amin’izay rehetra mitady vahaolana raha sendra zava-manahirana. Zava-misy amin’ny fiainan’ny olona mantsy ny zava-manahirana mitranga amin’ny endriny samihafa ka indraindray dia lasa manaotao foana ny olona rehefa sendra izany. Eto dia mampitodika ny olona amin’Andriamanitra ny mpanao Salamo.

Fanontaniana:

Misy vahaolana ve ho an’ny olona amin’ny zava-tsarotra manjo azy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 19. Ala. Il man. Epifania - FFKM
Isa. 66. 1-2 ; Jao. 2. 1-12 ; Asa 7. 44-50

| | 26. Ala. III man. Epifania - Marary Hoditra
Lev. 13. 9-17 ; Mar. 1. 40 -45 ; Jak. 5. 13-18

Febroary: MAMONJY NY TENIN'ANDRIAMANITRA

| | 02. Ala. IV man. Epifania
Zak. 8. 1-8 ; Jao. 5. 39-47 ; Efe. 1. 7-14

| | 09. Ala. V man. Epifania - Alahadin'ny Baiboly
Sal. 119. 41-48 ; Lio. 6. 46-49 ; 2 Kor. 6. 1-10

FJKM Fahazavana

Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM